Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Avrily, 2015
Nepal : Tendrombohitra Rakotra Ranomandry Sy Renirano Misasasasa Fa Tsy Misy Rano Fisotro Ny Renivohitra
Raha toa ka manomboka any Korea Atsimo amin'ity herinandro ity ny vovonana Maneran-tany faha-7 momba ny Rano, Nepal kosa dia manolotra trangamba hatao fanadihadiana ny momba tsy fahampiana eo anivon'ny fahafenoana tsy mahazatra .
Nitsidika An'i Hiroshima Ny Masoivoho Amerikana Ao Japàna Ary Miaiky Ny Takaitra Navelan'ny Baomba Atomika
Nitsidika ny Mozea "Peace Memorial Museum " ny Masoivoho Amerikana Caroline Kennedy ary nametraka fehiloha tao amin'ny tsangambaton'ireo namoy ny ainy tamin'ny daroka baomba - fihetsika tsy mbola fahita tamin'ireo masoivoho Amerikana teo aloha.
Fa Ahoana no Ahatafavoahan'ny Malagasy Miaina Amin'ny Vola Kely? Amin'ny Fahaiza-Mamoron-Javatra Maro
"Ady Gasy", fanadihadian'ilay mpanatontosa filma misandratra Lova Nantenaina, mamelabelatra ny fananan'ny mponin'i Madagasikara hakingan-tsaina handreseny ny adim-piainany isan'andro.
Ny Vaovao Farany Momba Ny Olan'ny Farihy Urmia Ao Iran
Mijery ireo ezaka natao tato ho ato hamonjena ny farihy Urmia ny "Iran Voices", iray amin'ireo farihy mangidy sira lehibe indrindra eran'izao tontolo izao
Rivo-bovoka Namely An'i Arabia Saodita sy ny Faritra Madinika Manodidina
Hikatona avokoa ny sekoly sy oniversite sasany ao Arabia Saodita satria hamely ny fanjakana ny rivo-pasika goavana.
Fianakaviana Iray Tao Fukushima: Ny Niampitàny Ny Efatra Taona Taorian'Ilay Horohorontany Lehibe Tany Atsinanan'i Japana
Efatra taona taty aoriana, tantarain'ny bilaogera iray Takayoshi Saito, ny fomba nataon'ny anabavy keliny sy ny fianakaviany taorian'ilay horohorontany sy ilay tafiotran-dranobe.
Ny Fanangonan-Tsonian'ireo Olom-pirenen'ny Fiombonam-be Eoropeana Ho Fanoherana Ny Fifanarahana Nataon'Ny CETA Sy Ny TTIP
Araho amin'ity taona ity ireo fifanarahana manerana an'i Atlantika nataon'ny Fiombonam-be Eoropeana sy Kanada ary Etazonia niaraka. Ahian'ny vondrom-piarahamonina Eoropeana hanitsakitsaka ny tombontsoan'ny mpanjifa izy ireo.