Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana
Tsy hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana any Tiorkia tokoa ve ny filoha Erdoğan?
Volana maromaro taorian'ny fifidianana ankapobeny, sy herinandro vitsy mialoha ny fifidianana eo an-toerana, toa manjavozavo ny fanamarihan'ny filoha Erdoğan tsy hirotsaka hofidiana intsony.
Ho voatarika anatina ady midadasika ve i Libanona?
Satria mihamitombo ny disadisa eo amin'i Hezbollah sy Israely, ny faritra MENA dia eo amoron'ny ady midadasika izay mety handravarava tanteraka ary hisy hahasaringotra lalina an'i Libanona sy ireo firenena manodidina azy.
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.
Adivarotra F-16 mamin'i Torkia
Tamin'ny 26 Janoary, nankatoavin'i Etazonia ny fivarotana F-16 vaovao miisa 40 mitotaly 23 miliara dolara. Tafiditra ao anaty fifanarahana ihany koa ny fitaovana hanavaozana ny F-16 miisa 79 an'i Torkia.
Tafahitsoka anaty korontam-bato, ny vatana sy fanahy
Aseho amin'ny tantara an-tsarimiaina Japoney "Attack on Titan", izay nivoaka voalohany tamin'ny taona 2013 ny habibiana tamin'ny fanafihan'i Israely an'i Gaza.
Valibontan'ny Britanika mpanao gazety Myriam Francois manoloana ny fandarohana baomba ny Houthi sy ny adin'ny Ranomasina Mena
Nanakiana mafy ny hevitra “adala” nandaroka baomba ny Houthis tokony ho natao alohaloha kokoa noho ny antony ara-toekarena tao amin'ny fandaharan'ny Sky News i Myriam Francois, britanika malaza mpanao gazety sady mpanangona tahirin-kevitra.
Lahatsoratra an-tsary: Vatsy, vilany ary kitay
Tsy vitan'ny hoe mameno ny filàna maika noho ny mosary, fa manome fahatsapana fanatrarana tanjona ihany koa ny fanampiana amin'ny fampandehanana ny programa fizaran-tsakafo ao Gaza.
Fiampitàn'ny Fahafatesana: Ilay làlana feno fitaka izoran'ireo mpifindramonina manandrana miampita an-tsokosoko avy ao Italia ho any Frantsa
Mba hitantaràna ny tantaran'izy ireny sy hiaina mivantana ireo fanamby amin'ny famakivakiana izany làlana izany, mpanao gazety roa no namakivaky ilay làlana mampididoza falehan'ireo mpifindramonina an-tsokosoko avy any Italia ho any Frantsa.
Tiorka mpanamory sambon-danitra voalohany nisidina an'habakabaka
Amin'ny fotoana izay andiavan'ny firenena ny krizin'ny vidim-piainana, ny fiakaran'ny vidin'entana sy ny fitotonganan'ny volan'ny firenena, dia nampametra-panontaniana ireo sasany ny amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta handefa an'i Gezeravci ho eny an'habakabaka.
Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria
Manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN ary samy manana fironana tsirefesimandidy.