Navoaka voalohany tao amin'ny New Arab tamin'ny 24 Janoary 2024 ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny endrika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty.
Niely haingana tao amin'ny media sosialy ny lahatsary iray an'i Myriam Francois, britanika malaza mpanao gazety sady mpanangona tahirin-kevitra, manakiana ny hevitra “adala” tamin'ny fanontaniana natao azy momba ny daroka baomba ny Houthis tao amin'ny Sky News.
Niseho an-tambajotra nasaina tamin'ny fandaharana fahitalavitra “The World” niarahana tamin’Yalda Hakim, nanome fomba fijery mitsikera ny hetsika miaramilan'i Etazonia sy UK tany Yemen i Francois. Nanohitra ny anton'ny hetsika izy ary nanantitrantitra ny krizy maha-olona ao Yemen sy ny fiantraikan'ny fitsabahana ara-miaramila amin'ny iray amin'ireo firenena mahantra indrindra eran-tany.
Nampanontany tena an'i Francois ihany koa ny fahamendrehan-toetra amin'ireny daroka baomba ireny ary nasongadiny ny fijalian'ny sivily. Nasaina iray hafa tamin'ny seho ny mpanoratra Amerikana-Anglisy Bill Browder, izay nanolotra fomba fijery mifanohitra, mifantoka amin'ny fiantraikany ara-toekarena sy ny lanjany ara-stratejika ao amin'ny faritra.
Navoitran'ny fanehoan-kevitr'i Francois ny fiovaovàna haingana amin'ny fifandonana, mampifandanja ny tombontsoa ara-jeopolitika amin'ny fiahiana maha-olona.