Tantara misongadina mikasika ny Yemen
Tantara mikasika ny Yemen
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Ahoana moa no andrahonan'ny fanomezan'i Etazonia fitaovam-piadiana an'i Arabia Saodita ny fandriampahalemana sarotra azo ao Sodàna
Vatsian'ny Saodiana vola sy fitaovam-piadiana ny RSF, koa raha manohana ny fifanaraham-barotra fitaovam-piadiana amin'i Arabia Saodita i Etazonia dia efa manohana ihany koa ny RSF izany ry zareo.
A4: Fampahafantarana ny “The Circumventer (Ilay Mpandingam-pibahanana)”
Manoratra ny tafatafa niarahany tamin'i Walid Al-Saqaf, Yemenita manam-pahaizana momba ny aterineto monina ao Soeda i Alexandra Sandels, avy ao amin'ny MENASSAT, niresaka momba ny fanombohan'ny fandaharan'asany vaovao antsoina hoe Al-Kasir (midika hoe fandinganana sivana amin'ny teny Arabo).
Ny fiavotan-tenan'ireo Kristiana vitsy an'isa lasibatry ny fanafihana ao Yemen
Yemenita niova fo ho Kristiana i "Galileo" telo taona lasa izay. Nosamborina sy nampijaliana izy ary miaina anatin'ny tahotra amin'ny famonoana ny ainy izy ankehitriny .
Nosakanan'i Yemen ny sehatra famahanana bilaogy Maktoob
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoaka ny lahatsoratra voalohany) Maktoobblog.com , iray amin'ireo sehatra famahanana bilaogy Arabo malaza indrindra, dia nakatona tao Yemen ka tsy nahafahan'ireo mpisera Aterineto Yemenita mitsidika ireo bilaogy maherin'ny 46.960 izay miantrano ao amin'ny tolotra. Misy bilaogy Yemenita miisa 1226 miantrano ao aminy araka...
Yemen: Nalaina an-keriny ny toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny mpanohitra
(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny alin'ny zoma 18 Septambra 2009, nalain'ny mpitandro ny filaminana an-keriny tao an-drenivohitra Sana'a i Mohammed al Maqaleh, ilay toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny Antoko Sosialista mpanohitra Yemeni Al Eshteraki, . Araka ny tatitry ny vavolombelona nanatri-maso navoakan'ny Federasion'ny Mpanao Gazety...
Yemen: Sivana tamin'ireo tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra roa
(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanakana ny fidirana amin'ny tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra miisa roa (www.al-shoura.net sy www.aleshteraki.net) ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra ao Yemen noho ny tatitra momba ny toe-draharahan'ny mahaolona sy ny ady ifanaovan'ny tafika sy mpikomy Shiita any amin'ny faritany avaratr'i Sa'ada. Araka ny voalazan'ireo mpiasan'ny...
Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra
Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.
Mamaly ny Fangataham-pisarahan'ilay Zazavavy Yemenita 8 Taona ireo Mpampiasa Aterineto ao Maghreb
Mamaly lahatsoratra iray navoakan'ny Yemen Times (pejy voafafa) momba an'ankizivavy kely iray 8 taona miezaka mametraka fisarahana ara-panambadiana aminà lehilahy iray 30 taona voalazany fa noteren'ny rainy hovadiany ny bilaogera Toniziana Stupeur!! Un nouveau depart!!.
Yemen: I Gaza sy Ny Renibeko ary ny Labozia
Miresaka momba ny nampianaran'ny renibeny tia karokaroka azy ireo ny lanjan'ny labozia tanatin'ny fotoana tena nilàn-dry zareo azy i Maysaa Shuja. I Allah anie hampandry am-piadanana ny fanahin'ny renibeny.