· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2010

Egipta: Ny zo hiteny

Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana ireo Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Mitaitra ny hevitr'izy ireo momba ny fitànana azy ireo i Marwa Rakha ato amin'ity lahatsoratra ity.

09 Febroary 2010

Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel

Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'nygazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.

09 Febroary 2010

Tonizia: Sivana lava izao!

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.

09 Febroary 2010

Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana

Feon-kira iray ho an'ny finday izay mampirisika ireo tanora Iraniana handeha any amin'ny vava ady sy hitolona nandritra ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka tamin'ny 1980 dia miverina indray ankehitriny ho firaisan-kina amin'ny fanoherana. Mitantara ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy momba io hira 'Ey Iran' io i Hamid Tehrani.

03 Febroary 2010

Iran: Mpitoraka blaogy roa ahiana hovonoina ho faty

Any ambadiky ny "barreaux" noho ny fanamelohana mavesatra ireo mpitoraka blaogy Iraniana roa, izay mpiaro koa ny zon'olombelona. Mehrdad Rahimi sy Kouhyar Goudarzi dia voaheloka ho niantsy “ady tamin'Andriamanitra,” ary voatondro ho “Mohareb” (fahavalon'Andriamanitra). Mitovy ny nanamelohana ireo lehilahy roa novonoina tany Tehran tamin'ity herinandro ity ny nanamelohana azy ireo.

02 Febroary 2010

Arabia Saodita: Niverin-dalana ny fitsaboana ny SIDA

Nanambara ny fikasany hanakatona hopitaly manolo-tena iray any amin'ny Jeddah’s King Saud izay fantatra amin'ny fivatsiany fanafody, amin'ny fitaizana ara-tsaina ary ny fitazomana ny mombamomba ireo voan'ny SIDA ho tsy ambara telo. Taitra ireo mpitoraka blaogy ary miteny fa dingana fihemorana izany.

02 Febroary 2010

Maraoka: Mitoraka blaogy momba ny fitorahana blaogy

Ireo Maraokana, toy ny mahazatra, dia mitoraka blaogy, fa amin'ity indray mitoraka ity kosa dia momba ny…fitorahana blaogy! Amin'ity taona ity, loka roa no hatolotra ao amin'ny tontolon'ny blaogy: ny andiany fahatelo amin'ny Fifaninana isan-tanona Blaogin'i Maraoka [Maroc Blog Awards], izay nisarika ny mason'ireo media tato anatin'ny taoana vitsy, ary ny fifaninanana vaovao Loka ho an'ny Blaogy Maraokana Tsara indrindra [Best of Morocco Blog Awards] (na BOMBies).

02 Febroary 2010