Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2009
Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite
Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe indrindra ao amin’ny antenimieram-pirenena Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Iran. Mety hisy fihatraikany amin’ny lafiny politika any Iran ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.
Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza
Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.
Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana
Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana....
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay...
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka...
iran:twitter sy facebook notsaraina
Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana] ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna vehivavy frantsay iray 24 taona,...
Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana
Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany,...
Palestina: Ny Fisondrotana Kilasy any Gaza
Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady.