Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2021

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2021

Tatitry ny Greenpeace manasongadina ny fitaran'ny fanarian'ireo firenena eorôpeàna ny fakony any Tiorkia

Isan'ireo zavatra hita any amin'ny toerana fanariana fako any Tiorkia ireo fonon'entana avy amin'ny mpaninjara ao UK sy ireo fitaovana fitiliana 'antigen' COVID-19 avy nampiasaina.

Nahataitra ireo mpampiasa Twitch ny nahita ny Ben'ny Tanàna tao

Ny fisehoana voalohany nataon'i Ekrem İmamoğlu, Ben'ny Tanàna ao Istanbul sady mpikambana ao amin'ny antoko repoblikàna matanjaka amin'ny fanoherana, tao amin'ilay sehatra dia nifanandrify tamin'ny fety iray ao amin'ny firenena, nataony hankalazana ny tanora sy ny fanatanjaahantena

Tiorkia, fifaninanana henjana ho an'ny Netflix ny fisian'ilay lahatsary Youtube ana lehiben'ny Mafia

Anisan'ireo olona ambony lasibatr'ireo lahatsary Youtube nalefan'i Sedat Peker, ilay Tiorka lehiben'ny mafia mpanao heloka bevava voarindra, ny minisitry ny atitany sy ny vinantolahin'ny filoha Erdogan.

COVID-19 ao Palestina : miaina antsefantsefan'ny tahotra sy ny fanantenana

Mety hanohintohia mivantana ireo olontsotra ao amin'ny Lemak'i Gaza sy ao Cisjordanie ny fiharatsian'ny toedraharaha politika ao Palestina.

Gejain'ny lalànan'ny media lazaina ho noho ny COVID-19 ny fahalalahana miteny ao Alzeria

Satria mbola mitohy ny hetsika Hirak manohitra ny tsy fanomezana fahafaham-po ny hetahetan'ny besinimaro, nampiasa ny areti-mandringana ny governemanta Alzeriana mba hanakanana ireo sehatra media tsy miankina sy ny zo nomerikan'n'ny olona amin'ny alàlan'ny lalàna manafay.

Iran: Resabe tamin'ny diplaoma Oxford sandoka nataon'ny Minisitra – 2008

Niteraka resabe tamin'ny fampitam-baovao i Ali Kordan, Minisitry ny Atitany vaovao Iraniana, noho ny fanomezany diplaoma doctorat "sandoka" avy amin'ny oniversite Britanika malaza any Oxford.

Israely: Fanafihana tamin'ny bilidaozera fahatelo tao Jerosalema tao anatin'ny herintaona – 2009

Tamin'ny voalohany, toa fanafihana maningana: tsy fetezana ivelan'ny fotoana sy toerana. Ny fanindroany, nofy ratsy izany. Ary nitranga indray ny fanintelony.