· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

31 Jolay 2012

Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena

Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra "mena" nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity

30 Jolay 2012

Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?

Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny...

27 Jolay 2012

Arabia Saodita: Khaled Al Johani, Mpanao Hetsi-Panoherana Mandeha Irery, Navotsotra Vonjimaika

Fony nisy ny antso hanaovana Androm-Pahatezerana iray tao Arabia Saodita tany amin'ny 11 Martsa 2011 tany, dia azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana ireo mpanao hetsi-panoherana sahy niatrika ny polisy marobe. i Khaled Al Johani no hany iray tamin'ireo voarakitra tanaty horonana sy nosamborina avy eo. Maneho hevitra momba ny famotsorana an'i Al Johani mandritra ny 48 ora ireo mpampiasa aterineto.

26 Jolay 2012