· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2012

Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely

Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast....

30 Novambra 2012

Sazy Mandra-maty Ho Anà Poeta Qatari Iray Noho Ny Faniratsiràna Emir

Androany i Qatar dia nanameloka an'i Mohamed Bin Rashid Al-Deeb hifonja mandra-maty .. noho ny nanoratany tononkalo iray. Ilay tononkalo, amin'ny teny Arabo, dia lazaina fa manindrahindra ny Lohataona Arabo, manao fampitahana ireo firenena miaina ambany famoretana sy ambany jadona. Araka ny ambaran'ilay Qatari mpanao gazety, Abdulla Al Athbah, ny tononkalon'i Al-Deeb dia maniratsira ny Emir Qatari [mpitondra] no fahitàna azy, ary niantso ny hanonganana ny fanjakany.

29 Novambra 2012

Manohana An'i Palestina i Pakistana

Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny...

28 Novambra 2012

Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Naneho hevitra tamin'io fisintahany io ireo Israeliana mpiserasera anaty aterineto.

27 Novambra 2012

Yemen: Fanafihana Nandritra Ny Ashoura Tao Sanaa

Ny 24 Novambra no andron'ny Ashoura, ary io no andro iray izay sady ankalazain'ny sekta Shiita sy Sionita ao anatin'ny tontolo Miozolmana manerantany. Kanefa, ao Yemen, andro nahitan-doza izy io satria olona efatra no maty ary ampolony no naratra taminà fipoahana iray izay nikendrena Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura tao Sanaa renivohitra. Io no fandarohana baomba voalohany indrindra namelezana sekta nitranga tao Sanaa, fivoaran-draharaha mampiahiahy miaraka amin'ny tanjona mazava handrehitra ady ao amin'ny samy sekta ao Yemen

26 Novambra 2012

Made in Libya / Vita Avy any Libia: Bilaogera Ahmed Ben Wafaa

Mpampianatra Siansa i Ahmed Ben Wafaa, izay nanomboka nibilaogy tamin'ny 2000 mba hahafahany milaza amin'ny fombany ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneny, ary tamin'ny alalan'ny biloaginy "Made in Libya", na ny Vita avy ao Libya [ar] dia vitany ny tonga tamin'ny toerana maha-loharanom-baovao azy nandritra ny revolisiona Libiana. Nitafatafa taminy i Ahmed Ben Jeddou mba hahalalàna misimisy kokoa mikasika ny fitorahana bilaogy sy ny famoahalalam-baovaon'olon-tsotra ao Libya taloha sy taorian'ny revolisiona

25 Novambra 2012