Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2022
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
Iza avy ireo atleta afrikàna mifaninana amin'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Pékin 2022 ?
Na ohatra aza ka zara fa manana ranomandry, na tsy manana mihitsy, ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny tanibe afrikàna, mametraka tontolo iray manasarotra ny fanomanana ireo Lalao Olampikan'ny Andro Ririnina, natrehan'ireo atleta afrikàna ny fanamby
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja
Tsy mahita afa-tsy ao amin'ny tontolom-baovao ataontsika manokana ve isika?
Afaka manaraka ny vaovao amin'ny fiteny maro izahay ary manao tsoa-kevitra, misafidy izay zarainay sy izay marihinay ho fandisoam-baovao.
Mitokona tsy mihinan-kanina ilay bilaogera Iraniana malaza Hossein Rongahi taorian'ny fakàn'ny manampahefana an-keriny azy
Nentin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny bemidina ilay bilaogera, tsy nampahafantarina ny fiampangana azy na ny toerana misy azy akory ny fianakaviany. Niseho tao amin'ny fonjan'i Evin malaza ratsy izay nitazonana azy tamin'ny taona 2010 izy taty aoriana.