· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2018

Mpanoratra Asongadina: Jillian York

Mamaritra ny tenany ho toy ny "mpanoratra, mpikatroka, mpiady amin'ny sivana an'aterineto sy bilaogera" i Jillian York. Monina ao Boston izy ary miasa ao amin'ny Berkman Center for Internet & Society ao amin'ny OpenNet Initiative sy ny Herdict, tetikasa ifarimbonana iray mamantatra ireo tranonkala nakatona.

30 Aogositra 2018

Ejypta: Bilaogera hafa nosamborina

Mbola mahita famoretana bebe kokoa ataon'ny Fiarovam-panjakana amin'ireo bilaogera noho ny antony samihafa ny sehatry ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana. Ny tranga vao haingana indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny fisamborana ilay bilaogera Ejypsiana Omar El Sharkawy.

24 Aogositra 2018

Masoarabo: Manohitra ny fomba Saodiana

Tamin'ny fankalazana iraisampirenena ny Andron'ny Vehivavy, naka lahatsary fitondrana fiara tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Arabia Saodita ilay mpikatroka Saodiana Wajiha Huwaidar, mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy hitondra fiara, ary nandefa izany tao amin'ny YouTube.

21 Aogositra 2018