Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2016
Nosokafan'i Maraoka Ny Fampiasa VoIP Alohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro

"Nosokafan'i Maraoka vetivety ny tolotra VOIP mba tsy ho hita ho fanjakan'ny polisy izy mandritra ny # COP22", hoy ny siokan'ny mpisera iray .
Nahatonga Hetsi-panoherana Nasionaly Ny Tolotra Ratsy Omen'ny Orinasam-Pifandraisana Finday Saodiana
Manohitra ny tambajotra fandraharahana an'onjam-pifandraisana ao amin'ny firenena ireo mpiseran'ny media sosialy ao Arabia Saodita, manohitra ny tolotra ratsy sy ny mbola hanakanana hatrany [mg] ny teknolojia, indrindra ny fifandraisana VoIP izay tokony ho azo maimaimpoana.
Hahatratra ny Fampanantenany Angovo Azo Havaozina Ve i Libanona Amin'ny Taona 2020?
Tsy vaovao amin'ny kirizin'ny fiarahamonina sy angovo i Libanona, fa kosa maro ireo miezaka miady amin'izany.
Voalaza Fa Nobahanana Ny WhatsApp Tao Yemen, “Olana Ara-teknika” Hoy Ireo Mpandraharaha Finday.

Nitosaka ny fanivànana vontoaty an-tserasera tao Yemen hatramin'ny nanombohan'ny ady ifanaovana'ny Houthi mpihoko sy ny tafika tsy mivadika amin'ny filoha Abdrabbuh Mansour Hadi.
Mila Rariny Izy: Ny Herinandro Niaraka Tamin'ny Podcast an'i Global Voices
Tamin'ity herinandro ity, ampahafantarinay anareo ireo vehivavy mitady sy manatanteraka ny rariny ao Polonina, Orogay, Rosia sy Syria.
Tsiaro An’ i Biljana Garvanlieva, Makedoniana Mpamokatra Sarimihetsika Nanome Fitenenana Ho An'Ireo Vehivavy Voahilikilika
"Ny handrava ny fiheverana ny vehivavy misy eto Makedonia no antony manosika ahy amin'ny maha-mpanoratra fanadihadiana ahy "
Vohitra Tiorka Miaro Ny Tenim-borona” Ao Anaty Tontolon'ny Telefaona Finday
''Ny tanjonay dia ny hampiroborobo ny tenim-borona ato amin'ny firenenay sy manerana izao tontolo izao.''
Isan-taona, Mamono Olona An-jatony i Iràna Amin'ny Ady Amin'ny Rongony Ataony Izay Vatsian'ny Firenena Mikambana Vola
Matetika dia olona voahilikilika ao anatin'ny fiarahamonina Iraniana ireo vonoina ho faty. Tafiditra amin'izany ireo mpifindra monina tsy voarakitra sy ireo mpitsoa-ponenana avy any Afghanistan mpifanila vodirindrina, ary ny foko sy fivavahana vitsy an'isa izay miatrika tsy fahafahana migoka ny zony any Iràna.
Netizen Report: Mbola Eo Foana Ny Fanakatonana ny Aterineto Ao amin'ny Saikinosy Sinai ao Ejipta

Raha mitohy foana any Avaratr'i Sinai ny fahatapahan'ireo fifandraisana, mieritreritra Aterineto tsy misy vetaveta kosa ny Rosiana ary miatrika fanagadràna ny ao amin'ny fanjakàn'i Kaoety noho ny fanalàny baraka ny emir tao amin'ny Snapchat.
“Manana Nobel, Saingy Tsy Manana Fandriampahalemana”
Lasan'ny filohan'i Kolombia, Santos ny loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana 2016 noho ny ezaka nataony hamarana ny ady naharitra 50 taona. Saingy maro ihany koa ireo nankalaza ny Satro-Potsy ao Syria.