Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2013
Hamid Khatib, Siriana Mpakasary, Mandositra Fahafatesana Mba Haka Sary Ny Fiainana
“Tsy misy ny Hamid mpaka sary raha tsy misy ny revolisiona. Antenaintsika mbola hisy iray rehefa mifarana ny revolisiona.”
Aina Enina Nafoy Tamin'ny Fanapoahana Nikendrena Minisitra Taloha Tao Libanona
Enina raha kely indrindra no olona maty, ary marobe no naratra ny 27 Desambra 2013 teo, tamin'ny fipoahana iray nikendrena ny Minisitry ny Vola tao Libanona teo aloha, Mohamed Chatah, raha iny nisy fiara voasesika baomba namely ny tandahatry ny fiara nitondra azy tao afovoan-tananan'i Beirut
Manaiky ilay “Lalàna Manohitra ny Fampihorohoroana” Be Mpitsikera i Arabia Saodita
Voasokajy ho fampihorohoroana ny fangatahana ny fanovàna ara-politika ao Arabia Saodita ankehitriny, araka ny lalàna iray vaovao izay nampiharina nanomboka androany. 16 Desambra 2013
Krismasy Sambatra Avy Amin'ireo Siriana Artista
Azo jerena anatina taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa ny fahaverezam-panantenan'ny firenena iray. Et ny fomba nankalazan'ireo Siriana artista ny Krismasy
Tontolo Maloto Ao Iran Ny Chat Hoe? Voabahana Ny WeChat
Voaràra ao Iran amin'izao fotoana izao ilay fampiasa malaza amin'ny smarthone ahafahan'ny olona miditra media sosialy.
Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity
Manodidina ny 10 000 eo ho eo ireo vahoaka Palestiniana any amin'ny faritra avaratr'i Gaza no nafindra monina hiala ireo fonenany taorian'ny efatra andro niavian'ny oram-batravatra.
Mpitari-Pivavahana ao Bahrain : “Fahotàna Ny Mankalaza Fetim-Pirenena”
Mibitsika toriteny iray nandritra ny fivavahana isan-Jomà tao Bahrain i Manaf Al Muhandis, barhaini bilaogera, ka ao anatin'izany no ilazan'ilay mpitari-pivavahana fa fahotàna ny fankalazàna ny Fetim-Pirenena.
Nirotsaka Ny Oram-Panala Tao Ejipta Fa Hosoka Kosa Ny Sarin'ny Sphinx Feno Ranomandry
Nalaza haingana ity sarin'ny Sphinx tao Giza, Kairo, ity, raha nandalo ny tafiotran-dranomandry lehibe indrindra tao Ejipta tao anatin'ny 100 taona mahery izay. Saingy misy ny olana amin'ity iray ity na izany aza - tsy tena izy io.
Mpanohitra Politika Saodina Karavasiana, Didy Navoakan'ny Mpitsara
Nosaziana higadra efa-taona an-tranomaizina sy kapoka karavazy 300 noho ny fikatrohany milamina ilay Saodiana mpikatroka ny zon'olombelona al-Saed nandritra ny fotoam-pitsarana miafina.
Manafika Ny Facebooki-n'i Messi ireo Jiolahim-boto Anaty Aterineto Avy Ao Iran
Nametaka safiotranà tsikera maharikoriko teo amin'ny pejy Facebook-n'ilay mpilalao baolina kitra teratany Arzantina ireo Iraniana alohan'ny fiadiana ny Tompon-daka era-tanin'ny baolina kitra.