Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2011
Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!
Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo
Iran: Mpitoraka Bilaogy Nafahana Taorian'ny 25 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina
Navoaka ny fonja rehefa nandoa onitra ny Alahady teo ny Dr. Mehdi Khazali, mpitoraka bilaogy, tonian-dahatsoratra sy zanakalahina mpitarika fivavahana mpitahiry ny nentin-drazana sady mpikambana tao anatin'ny Filankevitr'ireo Mpiambina ny Ayatollah Khazali, taorian'ny 25 andro fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanandratra ny feony tamin'ny governemanta Iraniana ilay mpitoraka bilaogy nandritra ireo roa taona lasa
Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Fihetsiketsehana Tany Tripoli

Raha ampitahaina tamin'ny volana Aprily 2011, rehefa nandinika voalohany ny fihetsika Rosiana tamin'ilay disadisa ny Global Voices, hita mizara kokoa ny hevitra ankehitriny; nizara ho vondrona roa miavaka, mpanohana sy mpanohitra an'i Kolonely Kaddhafi, ireo mpitoraka blaogy. Manadihady i Alexey Sidorenko.
Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman
Nisy fitsapan-kevitra iray nokarakarain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao, namoaka vokatra 'mampiahiahy'. Indreto ireo fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny aterineto taorian'ny nivoahan'ilay vaovao hoe nisy fanaramàna miaramilan'ny Facebook mba hanodinana azy ireny.
Libia : Tànan-Kavanan'i Gaddafi, Abdessalem Jalloud Niondrana Nankany Italia
Ny vaovao avy any Libia dia miparitaka erak'izao tontolo izao, noho ny nahazoan'ireo mpihoko tsikelikely ny tanàna. Ny vaovao lehibe iray nalaza, dia ny fitsoahan' ny olo-maventy faharoan'i Libia teo aloha, Abdessalem Jalloud nankany Italia tamin'ny fiaramanidin'ny zotram-pitateran'i Malta nandalo tany Tonizia, araka ny nambaran'ny olona ambony iray ao amin'ny Governemanta Toniziana ankehitriny. Noraisin'ny olona maro ho mariky ny fiafaràn'i Gaddafi ny fialàn'i Jalloud.
Libya: Tapatapaka ny fandaharan'ny fahitalavi-panjakana libyana
Satria mihazakazaka ny fandehan'ny raharaha avy any Tripoli dia manely ny vaovao farany avy ao Libya ny mafana fo avy ao amin'ny valan-tserasera mba hahalalantsika marina izay mitranga ao. Aza miala eto hanarahanao ny antsipiriam-baovao.
Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”
Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i...
Libya: Mahatsiaro an'i Mohammed Nabbous
Miely ao amin'ny Twitter ny fahatsiarovana an'i Mohammed Nabbous, mpanorina ny televiziona Libyana AlHurra TV. Maty nandritra ny fifampitifirana nalainy sary tamin'ny 19 Marsa i Nabbous. Araka ny nolazain'ny mpankasitraka azy moa dia mankalaza ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny fanahin'i Nabbous.
Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi
Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.
Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”
“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka" io no hevi-dehibe nohindrahindraina tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizi. Afef Abrougui nijery ny fanehoan-kevitr'ireo bilaogera taorian'ilay famotsorana ireo minisitra roalahy sady namana akaiky an'ilay lehilahy matanjaka Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ary nahatonga antso hanaovana hetsi-panoherana maro hatrany ny famotsorana azy.