Tantara mikasika ny Libia
Mahatonga tahotra iray volana mialoha ny aniverseran'ny tondradranon'i Derna ny tondradrano ao Libya
Nifanandrify tamin'ny fanatonan'ny tsingerintaonan'ny voina tao Derna, sy ny fihamafin'ny krizin'ny toetrandro ny tondradrano vaovao ao Kufra.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Lalàna maneritery: lalàna vaovao ho an'ny heloka an-tserasera ao Libia
"Ny fotoana nanambaràna ilay lalàna, niaraka amin'ny hoe tsy ho ela intsony ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, dia nahatonga ny maro hanontany tena momba ny tanjon'ny fanapahankevitra tahaka iray tahaka izao."
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro
Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.
Fanehoankevitra Maneran-tany Taorian'ny Famotsorana Ilay Nahavanona Fanapoahana Baomba Tao Lockerbie
Misy amin'izao fotoana izao ny resabe mirehitra eny amin'ny onjampeo sy ny tontolon'ny bilaogy, ho fanehoankevitra momba ilay fanapahankevitry ny fitsarana ao Ekaosy hanafaka ilay Libiana mpampihorohoro, Abdel Basset al-Megrahi, alohan'ny fiafaran'ny saziny, noho ny antony maha-olona sy ara-pahasalamana
Libya: Rice, solika sy ny fampiasam-bola vahiny
Tonga ao Libya androany ny sekreteram-panjakana Amerikana, Condoleeza Rice, ary hihaona amin'ny mpitarika Libyana, Muammar Al Gaddafi." Nankasitrahan'ilay bilaogera ny fitsidihana, izay voalohany nataon'ny sekreteram-panjakana Amerikana tao anatin'ny 50 taona mahery, saingy nametraka fanontaniana tahaka ny hafa ihany koa izy.
Maso Arabo: Eritreritra Ramadan
Satria mifarana vetivety ny volana masina Ramadany, mizara ny eritreriny momba ny volana, ny zavatra ataon'izy ireo, ny fenitry ny fitondrana fiara ary ny fanirian'izy ireo hiala-sasatra.
Nakaton'i Libya ny fidirana amin'ny Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina
Ny 24 Janoary 2010, nakaton'ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia ao Libya (LTT) ny fidirana amin'ny tranonkala malaza fizarana lahatsary Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina sy ara-politika an'ireo Libiana maro mipetraka any ivelany, tahaka ny Libya Al Youm, Al Manara, Jeel Libya, Akhbar Libya, sy Libya Al Mostakbal.
Ejypta: Fihaonambe ara-pinoana sy ny fifandraisana Arabo-Isiraeliana
Sambany nipetraka tamin'ny efitrano iray niaraka tamin'ireo mpitondra ara-politika Israeliana ny mpanjaka Saodiana Abdullah, nandritra ny fihaonambe "ara-pinoana" karakarain'ny Firenena Mikambana, natao tao New York, Etazonia.