Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2017
Atahorana ny Fahasalaman'i Nasser Bin Ghaith, Mpampianatra Ambony Emirati Arabo Mitambatra Gadraina, Hoy ny Vondrona Mpiaro Ny Zo
Notazonina tsy nahazoam-baovao nandritra ny sivy volana i Bin Ghaith ary tsy nahazo sakafo sy akanjo ara-dalàna. manahy ny fahasalamany ankehitriny ireo mpanohana azy.
Maro Ny Matahotra Ho Faty Taorian'ny Firodanan'ny Tranombarotra Lehibe Avo Indrindra Tao Tehran Rehefa Avy Nirehitra
"Fahatsiarovana ny fividianana akanjo manokana sy hazandrano, ankehitriny nirodana izany rehetra izany."
Tsikerain'ny Mpanao Gazety sy ny Media Sosialy Tao An-toerana ny Fitsidihan'ny Filoha Erdogan Tao Mozambika
Tsy nandalo fotsiny imason'ny Mozambikana ny "fanadiovana", izay managadra olona an'arivony, ataon'i Erdogan ao Torkia.
Manery An'i Rouhani Handràra ny Telegram Ireo Hiringiriny, Hiomanana Amin'ny Fifidianana Taona 2017
“Matesa ny fahalalahana noho ny fandringanana rehetra entiny," hoy izy tamin'ny 6 Desambra. "Tsy fahafahana (ny aterineto). Io no karazana famatopatorana ratsy indrindra.”
Vohitra iray ao Alep,Siria, Lasa Fenitra Vaovao Ny Daroka Balafomanga
Fony lasibatry ny tifitra balafomanga nataon'ny tafika siriana ny vohitra nonenany tao Alep, gaga ilay bilaogera sady mpikatroka, Marcell Shehwaro, saingy tsy tena izany loatra, tamin'ny hafainganan'ny fiverenan'ny fiainan'ny olona ho toy ny "isanandro".
Netizen Report: Didian'i Bahrain ireo Mpampahalala Vaovao Mba ‘Tsy Hampiasa Ny Fitaovan'ny Haino Aman-Jery Elektronika’
Mihatoka, manaiky ny 'Facebook Bill' ireo mpanao lalàna Israeliana, naaton'i Oman ny fanenjehana ireo mpisera amin'ny Facebook ho an'ny fahalalahana miteny, ary atahoran'ireo mpisera ny fanakatonana ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana.
Navotsotry ny Manampahefana Iraniana Tamin'ny Vola Onitra ny vadin'i Arash Sadeghi Taorian'ny Fitokonany Tsy Nihinan-kanina Nandritra ny 71 Andro
Voaheloka i Iraee rehefa avy nisava ny tranony ny Mpiambina Revolisionera ao Iran raha nitady porofo hanenjehana ny vadiny , Arash Sadeghi, mpikatroky ny zo sivily.
Nahazo Sazy 42 Taona An-tranomaizina Ilay Mpanao Lalana Koesiana Taloha Noho Ny Sioka Nalefany ‘Manevateva An'i Arabia Saodita’
Mpitsikera an'i Arabia Saodita i Dashti, indrindra ny adin'i Arabia Saodita amin'i Yemen. Fantatra amin'ny fanohanany mampiadi-hevitra an'ilay mpanao didy jadona Syriana Bashar al-Assad ihany koa izy.
Mamelona Indray An'i Beirota: Tahaka ny Ahoana no Andokoan'ny Fikambanan'Artista ny Renivohitr'i Libanona?
Amin'ireo loko marobe sy ny finiavana, azo antoka ny miteny hoenametraka ny marik'izy ireo tao Libanona ireto mpanakanto ireto
#SaveArash: Arash Sadeghi, Iraniana mpikatroka Miady Ho An'ny Zon'Olombelona — sy ny Ainy
Nitokona tsy hihinana hanina i Arash Sadeghi ny 23 Oktobra 2016 hatramin'ny 3 Janoary 2017. Mbola velona sy mahatsiaro tena izy, araka ny voalazan'ireo havana akaiky azy.