· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2012

Vonoin'izy ireo Ny Hazo Any Ejipta

  30 Desambra 2012

Misaona ny fandringanana ireo hazo sy ny fandrodanana ireo tranobe ntaolo any amin'ny zanavohitr'i Heliopolis any Caire i Michael Hanna, Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitana trano fivarotam-panafody. Jereo ny zavatra nanjo ilay hazo rofia izay mety ho ny ntaolo indrindra ao amin'ny faritra.

Aza Manasaritaka Ny Vehivavy Ejipsiana!

  30 Desambra 2012

Maryanne Gabbani, Kanadiana nivoaka an-tanindrazana sady bilaogera, namoaka lahatsoratra bilaogy vaovao nitondra ny lohateny hoe “Aza Manasaritaka ny Vehivavy Ejipsiana” hanaovany fanamarihana tantara roa henony vao haingana, izay nitranga tao...

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen

  29 Desambra 2012

Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo  mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny...

Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter

  28 Desambra 2012

Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana...