Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2021
Votsotra i Loujain al-Hathloul, ilay Saodiàna vavy mpikatroka, ary nibitsika
Tamin'ny 2018 ilay vehivavy 31 taona, mpikatroka ho an'ny zon'olmbelona no nalaina an-kery tany Emirà Arabo Mitambatra, ary nitambesarana vesatra isankarazany, narahan'ny fitakin'ny fampanoavana ny hampiharana aminy ny sazy faratampony 20 taona an-tranomazina
Nahenan'ny fitsarana saodiana ny sazin'ny dokotera malaza nohazonina hatramin'ny taona 2017
Tsindry tsy mahazatra avy any Etazonia no heverina ho nitarika ho amin'ny famahana haingana ny raharaha Dr Fitaihi, izay nosamborina, nampijaliana ary noraràna tsy mahazo mandeha lavitra hatramin'ny taona 2017.
Mihenjana ny tady eo amin'i Etiopia sy Sodàna, iadian'izy ireo ny faritr'i Al-Fashqa
Nahatonga ny tafika sodaney hitodika amin'ny fiarovantena ireo fifandonana tsy mitsahatra ifanaovan'ireo milisy etiopiàna sy ireo sodaney mpamboly ao amin'ny faritr'i Al-Fashqa.