Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2021
Fanarahamaso ao Libanona: Olan'ny fiainana manokana
Hita na aiza na aiza ary mazàna atao tsy misy fanarahamaso mifanaraka amin'ny rafitra araka ny lalàna ireo fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olompirenena ao Libanona.
Hazakazaka arahin-tosika ny fihenan-tsandan'ny Lira Tiorka
Ampirisihan'ny vondron'orinasa lehibe indrindra ao Torkia ny governemantan'i Erdoğan "hiverina any amin'ny fitsipiky ny hay toekarena."
Tiorka kintan'ny gadona pop, nahatezitra vahoaka ny fanehoankeviny tsy miraharaha ny olana ara-toekarena misy ankehitriny
Raha ny olona milahatra be manoloana ireo kiôska fivarotana mofo, niteraka kiana maro tety anaty tambajotra ny antsafa iray natao tamina kintan'ny gadona Pop.
SMEX:Fandrahonana ho an'ny zo ankihy ny fisian'Israely ao amin'ny Expo Dubai 2020
Tamin'ny volana Novambra, nampiditra tao anaty lisitra mainty ireo orinasa Israeliana mpanara-maso roa, NSO Group sy Candiru, izay voalaza fa namatsy rindrambaiko mpitsikilo ho an'ny UAE, Arabia Saodita, Maraoka ary Bahrain ny Departemantan'ny Varotra Amerikana.
Mitaky fepetra tsara kokoa hanatontosany ny asany ireo mpiasan'ny fahasalamana any Torkia
Nanao diabe avy any Istanbul nankany Ankara ireto mpiasan'ny fahasalamana ireto mba hisarihana ny saina amin'ny fepetra henjana atrehan'izy ireo nandritra ny valan’aretina, anisan'izany ny fandrahonana, ny ora lava amin’ny fiasana ary ny fahasahiranana ara-toekarena.
Niatrika bala fingotra, baomba mandatsa-dranomaso alefan'ny polisy ny vehivavy tao Torkia rehefa nanao diabe hampitsaharana ny herisetra satria lahy/vavy
Ny fitakiana voalohany dia ny hidiran'i Tiorka indray amin'ny Fifanarahana Istanbul — fifanarahana iraisam-pirenena miantoka ny fanafoanana ny herisetra an-tokantrano ary mampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, fifanarahana izay nialàn'i Torkia tamin'ity taona ity.