Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2016
Rakotry ny Irakiana Mpanao Fanoherana Ny Parlemanta; Nambara Ny Fepetra Amin'ny Tany Misahotaka
Anjatony maro ireo Irakiana nibosesika tao amin'ny tranoben'ny Parlemanta, ao anatin'ilay Faritra Maitso tsara aro ao Baghdad, ho fanoherana ny fikatsoan'ny fanendrena ny governemanta vaovao androany. Navoaka ny fepetra amin'ny tany misahotaka
Manomboka Amin'ny Mampahery Ka Hatramin'ny Mahatsikaiky, Zavatra 6 Izay Zarain'ny Olona Amin'ny Mediam-bahoaka Momba An'i Iràna Sy Ny Zavakanto Ary Ny Kolontsaina Persiana
"...ankehitriny miady amin'ireo izay te-hisintona an'i Iràna ho any amin'ny fihemorana aho. Amin'ny fanantenana ho an'ny andro izay hahatonga anay rehetra... afaka mifandefitra bebe kokoa."
Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani

"Ho an'ireo mpanao sariitatra rehetra manerana an'izao tontolo izao:aleo isika manara-maso sy miteny ho an'i Atena Farghadani "
Navotsotra Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Nogadraina
"Noho ny fitahian'Andriamanitra, navotsotra tao amin'ny Fonjan'i Evin aho androany alina rehefa avy nahavita sazy. Misaotra tamin'ny firaisankina nasehoanareo rehetra," Hoy i Hadi Heidari tao amin'ny Instagram."
Abu Majid, Ilay Manana Vina Syriana

"Mazava sy voatondro tsara ny fangatahan'i Abu Majid. Ny vinany dia i Syria demokraty miantoka ny fahafahana ho an'ny mponina iray manontolo. Izay no niampangana azy. Izay ny helony.."
Mpitsoa-Ponenana Irakiana Tody Tany Eoropa Nisafidy Ny Hody Any Aminy
"Raha misy fanantenana fa hahazo fialokalofana tsy ho ela aho, dia efa nijanona aho. Saingy tsy nisy ny fanantenana. "
Iraniana Fizisiana Nofonjaina Fa Tsy Nandà Tsy Hiasa Amin'ny Nukes, Maty Tany Am-ponja
Nandritry ny fotoana fohy, ny 21 Aprily, nikisaka ho any amin'ilay fizisiana nandany ny dimy taona farany tany am-ponja noho ny nandàvany tsy hiasa ho an'ny fandaharanasa Iraniàna momba ny nokleary, ny sain'izao tontolo izao
Mitaky ny Fialàn'i Sisi Ny Fihetsiketsehana Ao Ejipta Noho Ny “Famarotana” Nosy Amin'i Arabia Saodita
"Mitombo arivo ny isa ary mihafamafy ny hiaka manao hoe: "Mitaky ny firodanan'ny fitondrana ny olona."
Bilaogera Iraniana Mitolona Ho Amin'ny Fahasalamana Sy Ny Fahalalahana Taorian'ny 18 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina

Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka tamin'ny 26 Martsa i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera sady mpikatroka manohitra ny sivana. Miharatsy ny fahasalamany.
Grand Prix Formule 1 Tao Bahrain Niafara Tamin'ny Loza: Ali Abdul Ghani, 17 Taona, Maty Vokatry Ny Fisamboran'ny Mpitandro Ny Filaminana
Taorian'ireo afomanga, ireo fiara mamirapiratry ny fifaninanana ary ireo fankalazana ny Loka Lehibe Formula 1 tao Bahrain, zazalahy iray 17 taona, Ali Abdul Ghani, no namoy ny ainy.