Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2013
Ilay Vehivavy Raqqa Miatrika Irery Ny Fanjakana Islamika ao Iraka Sy Syria
Tsy handao ny fireneny amin'izao fotoana ilavana azy izao ilay mpampianatra, Suad Nofal,avy ao Raqaa, Syria. Mitantara ny momba azy ny Syria Untold.
Lahatsary: Tovovavy Saodiana Nahazo Tsiny Raha Niharan'ny Herisetra Teo Anoloan'ny Tsenambarotra
Nomena tsiny ireo vehivavy niharan'ny herisetra nataon'ireo tanora tao amin'ny tsenam-barotra iray ao Dhahran, Arabia Saodita, satria tsy nanarona ny endriny ry zareo.
Natokana Efitra Ireo Ankizy Gadra Saodiana
Rehefa avy nanao fihetsiketsehana "tsy ara-dalàna" , voatàna ao Arabia Saodita ny fianakavian'ireo gadra, anisan'izany ireo ankizy izay tsy navela hihaona tamin'ireo havany nandritra ny Eid Al Adha.
GV Face: “Advox” Amin'ny #IGF2013
Mivantana avy ao Bali, ao Indonezia, araho ny resadresaka ataon' ireo Advoxer: Hisham Almiraat, Ellery Biddle, Sana Saleem, Nighat papa, sy ireo namana hafa ao amin'ny GV mikasika ny olana momba ny zon'ny mpiserasera mandritra ny hetsika amin'ity taona ity.
Marobe Ireo Polisy Saodiana Nandritra Ny Andron'ny Vehivavy Mitondra Fiara
Manakana ireo vehivavy Saodiana manohitra ny fandraràna hitondra fiara ny polisy misahana ny fifamoivoizana.
Miomana Ny Hanohitra Ny Fandraràna Azy Tsy Hamily Ireo vehivavy Saodiana
Maminavina ny hanohitra ny fandraràna tsy hamily ireo vehivavy Saodianina ny 26 Oktobra. Maro ireo efa nanomboka mitondra fiara, maka sary ny tenany izy ireo amin'ny fanaovany izany ary mandefa ireo sary any amin'ny aterineto.
Navoaka Ilay Mpitarika Ny Mpianatra Iraniana, Majid Tavakoli, Rehefa Nandoa Onitra
Taorian'ny 4 taona an-tranomaizina, nody tany amin'ny fianakaviany i Majid Tavakoli.
GV Face: Ny Zavatra Rehetra Ilainao Fantarina Momba ireo #SudanRevolts
Mitafa miaraka amin'ireo Sodaney mpanoratra ho antsika, Usamah M, sy Magdi ElGizouli, tompon'ilay bilaogy malaza Still Sudan ny tonian-dahatsoratsika ao MENA, ary manontany azy ireo raha ity no Lohataona Arabo manaraka.
Ho Tsara Fiafara Ve Ny Krizy Nokleary Ao Iran Amin'ity Indray Mitoraka Ity?
Manontany ireo Iraniana ao amin'ny Twitter raha hitera-baovao mahafaly hoan'i Iran ny dinidinika farany niarahana tamin'ireo firenena matanjaka manerantany.
Ilay Tarika Syriana-Palestiniana “Refugees of Rap” : “Efa Lasa Ny Fotoanan'ny Fahanginana “
Taorian'ny nanapotehan'ny Fitondrana Assad ilay Studio novatsian'ny Firenena Mikambana vola, izay nantsoinay hoe Sawt Al Shaab (Ny feon'ny Vahoaka),dia tao amin'ny faritra fonenan'ireo mpialokaloka tao Yarmouk ny tarika Refugees of Rap no nitoby. Vakio ato ny tohiny.