Tantara mikasika ny Libanona
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Fihetsiketsehana tao Beiroty nomem-boninahitra tanaty sarintany maneho ny hetsipanoherana ho toy ny dingana ‘fanorenana tanàna’ mivantana
“ Fanampiny lehibe ho an'ny "magma" hita maso miantefa amintsika ireo sarintany ireo, satria ahafahantsika mamintina, misaintsaina ary mametraka ny zavatra maro ho anaty vinavina."
Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna
Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.
Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana
Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy
Palestina: Gaza eo ambany fahirano
Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.
Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?
Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.
Hanonta hajia fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana i Libanona
Hanamboatra hajia ho fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana ny paositra Libaney. Nanasongadina ny maha zava-dehibe ny marika amin' izany hajia izany ny fanambaran'ny minisitry ny fifandraisan-davitra, Nicolas Sehnaoui tao amin'ny Twitter.
Libanona: Fitsidihan'i Norman Finkelstein
Miarahaba an'i Norman Finkelstein, izay nitsidika an'i Libanona vao haingana ilay bilaogera Libaney Ali Hammoud.
Kihon-dalana lehibe, nilaza ny tribonaly miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana
Namoaka didy ny fitsarana miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana ary nandà tsy hanenjika ireo olona efatra voampanga tamin'ilay 'heloka'. Saingy nitondra ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony indray ny tafika mba hiampanga azy ireo
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...