· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2012

Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.

31 Marsa 2012

Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.

27 Marsa 2012

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

27 Marsa 2012

Tonizia: Bilaogera Manampy Amin'ny Fandrafetana Ny Lalam-panorenana

Ny 23 Oktobra 2011, nifidy ny antenimiera handrafitra ny lalam-panorenany vaovao ry zareo Toniziana, taorian'ny nanonganana ny fitondran'i Ben Ali. Amin'izao fotoana, dimy volana aty aoriana, vao ny fandinihana ireo drafitra natolotra no natomboky ny antenimiera. Kanefa, ny tsy fitovian-kevitra manodidina ny artikla voalohany dia mampihisatra ny asan'ny antenimiera ary tafiditra eo afovoan'ny dinika ny momba ny Islam sy ny fizakana ny maha-olom-pirenena Arabo. Nijabahan'ireo mpiondana aterineto ilay izy mba hanampiany amin'ny fanotorana ny hantsana.

27 Marsa 2012

Ejipta: Ny Totoafon'i Abou Ismail Aminà Saribe

Mafotaka tokoa ny fiomanana amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Ejipta, voaomana hatao ny 23 sy 24 May 2012, miaraka amin'ny sariben'ireo mpirotsaka izay efa mameno ny làlana sahady. Saingy rehefa i Hazem Salah Abou-Ismail no resahana, dia tena vereziny lavitra any aoriana ireo mpifaninana rehetra amin'ny fanaovana totoafo ny fametahana saribe. Ny saribeny dia saika hita eny rehetra eny. Noararaotin'ireo mpiondana aterineto ilay fotoana mba hihomehezana avy amin'ilay totoafo an-tsary.

27 Marsa 2012