· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011

Ejipta an-tsary: Avy eny an-dalamben'i Cairo

Rehefa tsy eny an-dalamben'i Cairo, dia mampakatra sarin'ireo fihetsiketsehana mba hozaraina amin'izao tontolo izao ilay mafàna fo mpiaro zon'olombelona sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, Ramy Raoof. Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarnay ny sary nalefan'i Raoof avy ao Cairo.

31 Janoary 2011

Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta

GV Mpisolovava

Ny 28  Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina...

30 Janoary 2011

Yemen: Anarivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran'i Saleh

Tamin-kafaliana no nandraisan'ny tontolo Arabo ireo tatitra mikasika ny hetsi-panoherana any Yemen, tontolo Arabo izay misy an'ireo mponin'ny aterineto maneho ny fanohanany betsaka an'ireo rahalahiny sy anabaviny Yemenita. Tao amin'ny Twitter, nientanentana ny rehetra, satria ireo mponin'ny aterineto erantany dia naniry daholo an'i Yemen hanaraka ny dian'ny Toniziana, ka hanala ny filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh, izay efa tao amin'ny fitondrananandritra ny 30 taona mahery

29 Janoary 2011