Tantara mikasika ny Oman
Ireo tantara sangany tao amin'ny Global Voices niresahana fanimbàna tontolo iainana, nefa ny planeta teo ampiatrehana ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana
Nandritra ny taona marobe, tena nanao tatitra betsaka momba ny olan'ny tontolo iainana ny Global Voices, ary iray amin'ireo nifantohan'ny tantara tato aminay ny fomba fiantraikan'ny fandravàna tontolo iainana, ny rohivoahary efa marefo noho ny asan'ny olombelona.
Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai
Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.
Oman: Notanana ilay bilaogera Muawiya Alrawahi

Notaterina tao amin'ny Twitter fa notanana noho ny bilaogin-dahatsoratra sy ny sioka sasantsasany izay nanakianany ny Sultan Qaboos bin Said, mpitondra an'i Oman ilay bilaogera Omani mivantambantam-piteny Muawiya Alrawahi , fantatra amin'ny heviny mampiadihevitra.
Oman: Fampianarana “fandaniam-potoana”
Tsy mba noraisin'ny mponina ho rafitra ara-drariny noho ny antony samihafa ny rafitra fandraisana ireo mpianatra amin'ny ambaratonga ambony eny amin'ny oniversite any Oman. Ny rafitra fanabeazana teo aloha 'Thanawiyah Ammah' dia voatsikera noho izy mandrisika ny fianarana amin'ny alalan'ny fitadidiana fa tsy mba mampianatra ny tena fomba fianarana
Toerana masina Oryx ao Oman – toerana voalohany voafafa tao anatin'ny lisitry ny vakoka manerantany
Namoaka fanambarana an-gazety tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo manambara ny fanesorana voalohany ny toerana iray avy amin'ny lisitry ny Lova Manerantany ny UNESCO
Oman: Miverina tsikelikely ny fibilaoginina
Niala tamin'ny Gonu, oram-baratra tropikaly namely ny firenena tamin'ny fiandohan'ity volana ity ny sehatra fibilaogina Omaney. Niezaka nivoatra sy niresaka lohahevitra samihafa ireo bilaogera tamin'ity herinandro ity.
Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana
Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.