Tiorka mpanamory sambon-danitra voalohany nisidina an'habakabaka

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nivantana an'ny Axiom tamin'ny fandefasana tamin'ny 18 Janoary 2024

Telo… roa… iray… areheto! Alper Gezeravci, 44 taona no Tiorka voalohany mpanamory sambon-danitra nisidina teny an'habakabaka. Nanatevina laharana an'ireo mpanamory sambon-danitra Soedoà, Italiana ary Espanola ao anatin'ny sambo AX-3 nomen'ny orinasa tsy mainkina Axiom Spacetamin'ny 18 Janoary tamin'ny 16h49 hariva, ora any atsinanana ilay ekipa no nandao ny Tany. Io no sidina fahatelo ao anatin'ny sehatra fiaraha-miasa amin'ny NASA. Mba hahafahana manamarina tsara ireo rafitra fanampiny, nahemotra 24 ora ilay iraka, izay voatondro hiainga tamin'ny 17 Janoary, niainga avy tao Kennedy Space Center an'ny NASA any Florida  :

Fanavaozam-baovao momba ilay fandefasana:

Voatondro ho amin'ny 4h49 hariva ET, ny Alakamisy 18 Janoary ny fandefasana ny Axiom Mission 3 mankany amin'ny @Space_Station, avy ao amin'ny Launch Complex 39A.
Mba hanarahanao mivantana izany, aza miala amin'ny  https://t.co/cCkiHGrYtM pic.twitter.com/UD7QYHFiKQ

— NASA's Kennedy Space Center (@NASAKennedy) 17 Janoary 2024

Taorian'ilay fanemorana, dia lasa soa aman-tsara tamin'ny ora voatondro ny sambon-danitra. Nahavita ny fanamarinany voalohany ny ekipa taorian'ny fandefasana, niaraka tamin'i Michael Lopes-Alegria Kômandàn‘ny Ax-3  izay nanamafy fa salama tsara ny ekipa.

Tamin'ny Aprily 2022 ny Axiom no nanatontosa ny sidina voalohany ara-barotra niarahany tamina mpanamory sambon-danitra sivily manontolo. Teo amin'ny tranonkalany, nireharehan'ilay orinasa ny filazàna fa tolotra omeny ireo mpanjifany ny “fahafahana manavatsava ny habakabaka eny ambony sy manatanteraka tanjona manokana manana endrika filôzôfika, filantrôpika, siantifika na ara-barotra” – ary manampy amin'ny fanokafana toko vaovao izay amin'ny tantaran'ny olombelona.”

Ny 20 Janoary no voalahatra tokony itambatra ao amin'ilay Toby Fiantsonana an'habakabaka Iraisampirenena (ISS) ilay ekipa, rehefa avy nandeha 34ora sy 20 minitra, ary handany roa herinandro ao amin'ny ISS mba hanao fikarohana sy andrana siantifika. Araka ny voalazan'ny Space.com, “ampahany betsaka amin'ny fikarohana nataon'ny ekipan'ny Ax-3 no hifantoka tanteraka amin'ny fiantraikanyny sidina an'habakabaka maharitra sy ny fiantraikan'ny ‘microgravité’ eo amin'ny vatan'olombelona, ka hotsindriana tsara amin'izany  ny fomba mety hahafahan'ireny fikarohana ireny hanana fampiharana azy  mahasoa rehefa tafidina ety an-tany.”

Ny sidina an'habakabaka teo aloha nataon'ny Axiom dia nitondra ireo mpandraharaha mpanefoefo sy mpampiasa vola, ary koa ireo mpanamory sambon-danitra notohanan'ny governemantany. Io sidina io anefa no voalohany nividianan'ny governemanta iray na masoivohom-pirenena misahana ny habakabaka ireo seza efatra araka ny tatitry ny CNN.

Nampahafantarina voalohany tamin'ny daholobe i Alper Gezeravci talohan'ireo fifidianana ankapobeny tamin'ny May 2023. Izy no lehilahy Tiorka voalohany nisidina tany anaty habakabaka manana maripahaizana avy amin'ny Air Force Academy ao Istanbul, sy ny Air Force Institute of Technology ao amin'ny Wright-Patterson Air Force Base, tao Ohio. Mpanamory fiaramanidina mpiady, niasa tao amin'ny tafika an'habakabaka i Gezeravci ary manana traikefa 15 taona tamin'ny fisidinana.

Rehefa naboraka ilay Programam-Pirenena momba ny Habakabaka dia i Gezeravci no anisan'ireo olona 36 000 nisoratra anarana hanaraka ny programa, araka ny tatitry ny Gazete Duvar.

Dia lavitra an'habakabak'i Tiorkia : raharaha lafo vidy

Tamin'ny 2018 i Tiorkia no nanomboka ny masoivohony misahana ny habakabaka. Tamin'ny 2021 dia naboraky ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan ny faniriany hanitsaka ny eny amin'ny volana amin'ny taona 2023. “Ny fidinana voalohany eny amin'ny volana dia hatao miaraka amin'ny balafomanga “hybride” noforonin'ny firenentsika ary tena izyizay ho alefa hihodidina ny tany amin'ny faran'ny taona 2023 amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena”, hoy ny nambaran‘i Erdoğan tamin'izany fotoana izany. Tsy tanteraka izany ary taty aoriana dia nahemotra ho amin'ny taona 2026 ny tetiandro ho amin'izany, saingy tsy nanakana velively ny filoham-pirenena mihitsy izany tsy hamboraka ny drafitra hampiakarana an'ireo olom-pireneny hiasa any amin'ny ISS tamin'ny volana May 2022. Tamin'io taona io ihany, nanao sonia fifanarahana tamin'ny Axiom Space i Tiorkia mba handefasana Tiorka mpanamory sambon-danitra ho eny amin'ny habakabaka amin'ny taona 2023, mifanandrify amin'ny fankalazana ny fahazato taonany.

Saingy lafo be ny fahazoana seza eo amin'ny latabatra manokan'ireo firenena nasaina amin'ny ISS. Amin'ny lazam-bidy antonony isan'alina manodidina ny 35 000 Dolara (sarany nalaina avy amin'izay faktiora fitakin'ny NASA amin'ireo orinasa tahaka ny Axiom), mitentina 55 tapitrisa Dolara isan'olona no totalin'ny sandany, araka ny tombana sasany. Na ny Axiom aza tsy namoaka ny tena sandany marina. Saingy tany aloha dia  nohamafisin‘ilay orinasa fa nahatratra 55 tapitrisa dolara no vidin'ny seza iray tao amin'ilay sambon-danitra. Io no vola naloan'ny Axiom tamin'ny SpaceX mba hampiasana ny capsule spatiale Crew Dragon sy handefasana ny balafomanga manosika ny Falcon 9.

Amin'ny fotoana izay andiavan'ny firenena ny krizin'ny vidim-piainana, ny fiakaran'ny vidin'entana sy ny fitotonganan'ny sandambolan'ny firenena, dia nampametra-panontaniana ireo sasany ny amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta handefa an'i Gezeravci ho eny an'habakabaka. Nanoratra i Mahvi Egilmez, mpahay toekaren, fa ny fampiasambola amin'ny habeny tahaka izao dia tsy hitondra tamberim-bidy ho an'i Tiorkia akory, fa mampandefitra kosa ireo “fampiasambola amin'ny mahasoa kokoa”.

Mizotra mankany amin'ireo fifidianana eo an-toerana ihany koa i Tiorkia izay tokony hatao ny 31 Martsa. Tena avo dia avo ny mety hampiasàna ity iraka ity ho fitaovana fampielezan-kevitra ara-politika ho an'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana, hoy ny fanazavan‘ilay mpanao gazety, Nevsin Mengu. Ireo hafa, tahaka ilay mpanao gazety, Fatih Altayli, dia nanantena fa hitondra vokatra ara-tsiansa bebe kokoa sady tsy hivadika fotsiny ho fitaovana fampielezan-kevitra ara-politika eo ampelatanan'ny fitondrana ny fandaniana rehetra natao amin'i Gezeravci ho eny an'habakabaka.

Fa somary efa tara kely angamba ny hanantenana izany.

Anatin'ny lahateny an-tsary iray nozaraina tao amin'ny X (Twitter teo aloha), ny filoha Erdoğan dia niarahaba ny firenena tamin'ity andro manan-tantara ity. “Ry Firenena malalako, miara-miatrika fotoana iray manan-tantara isika rehetra. Miaina ny iray amin'ireo vanim-potoana izay nahatongavan'ny hambom-po iombonantsika ho amin'ny faratampony”, hoy ny nambarany. Nilaza ihany koa ny filoha Erdogan fa ilay iraka dia tokony ho fitaomam-panahy ho an'ireo “tanorantsika izay mijery ny faravodilanitra miaraka amina tselatra kely anaty masony”. Taloha kelin'izay, rehefa nanainga tànan'akanjo  sy nilaza ny programany ny governemanta, rehefa niresaka tamin'ny DW, nilaza i Lokman Kuzu mpikambana ao amin'ny filankevitry ny fitantanana ny ny Turkish Space Agency, fa ny tanjona lehibe amin'ilay tetikasa dia ny famoronana hirika hitazonana an'ireo tanora, injeniera sy siantifika ao Tiorka sady hampihena ny isan'ireo fandosiran'ny atidoha (manampahaizana).

Saingy ny drafitra an'habakabaka iray dia mety tsy ho ampy hitazonana ny risipon'ireo tanora ao Tiorkia, ao anatin'ny toedraharaha misy fizarazaràna lalina eo amin'ireo tia ny nentin-drazana sy ny laika, ny fitsabahana amin'ny rafi-pampianarana, ny faeriterena ny kolontsaina sy ny zavakanto raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy monja. Araka ny fanadihadiana navoaka tamin'ny Jona 2023 nataon'ny Orina Pôlitika Alemàna Konrad-Adenauer-Stiftung (KAS) dia manodidina ny 63 % amin'ireo tanora nohadihadiana no nanondro fa liana amin'ny fifindranamonina sy te-hiaina any ivelany raha toa izy ireo nomena fahafahana hanao izany. “Ny tena antony mandrisika bebe kokoa hiaina any amin'ny firenen-kafa, izay notanisain'ny 47,8% tamin'ny olona namaly dia ny fahatsinjovana ny fihatsaran'ny fari-piainana.” Ny antony faharoa lehibe, tondroin'ny 20,7% tamin'ireo mpandray anjara dia ny finoana fa manome fahalalahana bebe kokoa ireo firenena ireo”, hoy ilay tatitra namarana azy. Ny fanadihadiana iray hafa mikasika ny fahasambaran'ireo tanora ao Tiorkia, navoaka tamin'ny Aprily 2023 dia mitanisa ny olana ara-bola, ny tsy fahampian'ny asa sy ny fanabeazana tsara kokoa no anisany antony lehibe mahatonga tanora tsy ho sambatra.

Be fanantenana kokoa i Gezeravci miohatra amin'ireo tanora Tiorka kivy. Tao anaty tafatafa iray nifanaovana tamin'ny masoivohom-baovaom-panjakana Anadolu, dia nilaza i Gezeravci fa diany dia tsy inona fa”vao fiantombohana” ihany amin'ny làlana midadasika hisokatra ho an'ny andian-taranaka ho avy ao Tiorkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.