· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2017

Maraoka: Ny Tena Zava-misy Amin'ny Fivarotan-tena

Tranga iray ao Maraoka ny momba ny mpianatra mpivaro-tena. Bilaogera Words For Change namoaka lahatsoratra mahaliana momba ny tovovavy ambanivohitra ao Maraoka, tonga tao an-tanàna lehibe mba hianatra eny amin'ny oniversite, ary niafara tamin'ny fivarotan-tena.

30 Jona 2017

Maraoka: Miaka-tsehatra Ny Gnaoua!

Isan-taona amin'ny volana Jiona, mpizaha tany an'arivony avy amin'izao tontolo izao sy Maraokana manerana ny firenena no mirohotra ao Essaouira, tanàna kely amoron-tsiraka tokony ho 200 kilaometatra avy ao Marrakesh feno olona, mba hamonjy ny Fetiben'ny Gnaoua sy ny mozika manerantany.

30 Jona 2017

Tonizia: Vehivavy Iray Mpampiasa Facebook Nampidirina Amponja Noho Ny Fanaparitahana Ireo Honohono Mety Hanakorontana Filaminam-bahoaka

GV Mpisolovava

Mpitsara taloha [...] nametraka fialàna noho ny taratasy misokatra nalefany ho an'ny filohampirenena [...] manameloka ny tsy fisiana fahaleovantena eo amin'ny fahefam-pitsarana [...] mihevitra fa ny governemanta dia mitady olona atao sorona ao anatin'ny raharaha mikasika tsaho. [...] Mbola manjavozavo be ny lalàna toniziana raha mikasika ny fanaparitahana ireo tsaho amin'ny Web.

29 Jona 2017

Bilaogy Maghrebiana

Nanomboka tetikasa iray vaovao mitondra ny anarana hoe Maghreb Blog (Bilaogy Maghrebiana) ny vondronà mpanoratra bilaogy mavitrika avy ao amin’ny tontolo Maghrebiana; izay misy an'i Maraoka, Tonizia, Alzeria, Libia ary Maoritania.

29 Jona 2017