Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2013
Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray

Ny alin'ny Alakamisy teo, tao Kairo, nosamborina tao an-tranony i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Ahian'ireo mpanohana azy ho natao ho fampiharana ilay lalàna vaovao mandràra ny hetsi-panoherana eny an'arabe ao Ejipta ny nisamborana azy
Yemen: Fitiavana Anaty Fotoan'ny Safotofoto
Ilay Saodiana Huda sy ilay Yemenita Arafat no Romeo sy Juliette amin'izao andro maoderina izao, Noon Arabia no mitatitra
An'aliny Tao Amin'ny Facebook Nitehaka An'i Javad Zarif Ilay Mpanao Fifanarahana Momba Ny Niokleary Tao Iran
Iraniana an'aliny no nandefa fanehoankevitra fiderana tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Iraniana ho fisaorana azy nahavita fifanarahana momba ny niokleary
Tafatafa Tamin'ilay Gadra Saodiana Niteraka Adihevitra Momba Ny Fanagadrana Tondro Molotra
Niha-nafàna ny adihevitra momba ny olana amin'ny fanagadrana tsy amin'ny antony taorian'ny fandaharana resadresaka notontosain'ny fahitalavitra Saodiana malaza MBC niarahana tamin'i Walid al- Sunani. Fantaro ny antony
Raki-tsoratra Avy Amin'ny GVMeetup Ao Kairo

Miarahaba an'i Kaire! Tamin'ny 16 Novambra no notontosainay tao amin'ny ivon-toerana "The Workshops" ao Maadi ny fihaonana "meetup". Niresaka momba ny Global Voices, teknolojia sy ny fiarahamonina izahay.
SARIPIKA: Tsinjaka sy Ankona Amin'ny Fiadian-Toerana Mondialy Ho Any Brezila
Raha nihinjakinjaka tanteraka i Alzeria, Côte d'Ivoire, Kamerona ary Frantsa, dia levona tanteraka niaraka tamin'ny kiririoka farany kosa ny fanantenan'i Burkina Faso, Senegal, Okraina ary Tonizia hitodi-doha ho any Brezila.
Bisikilety: Vahaolana Ho An'ny Arabe Ao Damaskaosy
Saripîka anjatony mampiseho ireo Siriana lahy sy vavy mivoy bisikilety no mameno ny tontolon'ny tranonkala. Fantaro ny antony.
SARIPIKA: Tantara Fohy Dimy Mikasika Ny Siriana Mpitsoa-ponenana
Saripika dimy milaza tantara no nofidian'i Rami Al Hames ho enti-mandravaka ny fiainana mafy sy ny tena zava-misy lalovan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana lavitry ny trano fonenany.
Notapahan'i Satirist Bassem Youssef, ilay Ejiptiana Mpanao Hatsikana, Ny Fifanarahany Tamin'ny Fahitalavitra
Nanapa-kevitra ny hanapaka ny fifanarahany tamin'ny CBC, fahitalavitra nampiantrano ny sehony ilay Ejiptiana mpilalao hatsikana, Bassem Youssef. Mitohy ny tantara taorian'ny nanesorana ilay seho tao amin'ny fahitalavitra
Ejipta: Tsy Ho Adino Akory i Mohamed Mahmoud
Efa tany amin'ny Novambra 2011, nirongatra tao amin'ny araben'i Mohamed Mahmoud ao afovoan'i Kairo ny fifandonana. Roa taona aty aoriana, mipongatra ny hetsi-panoherana ho fahatsiarovana izany.