· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2013

Yemen: Tovolahy roa Maty Noho Ny Fisongonana Ireo Fiara Mpanotrona Ny Mariazin'i Sheikh

  31 Mey 2013

Tanora Yemenita roa no maty ny herinandro lasa teo vokatry ny fisongonana ny filaharana fiara mpanotrona ny mariazin'i Sheikh (filohanà foko) tany Sanaa renivohitr'i Yemen. Nitondra ny fiarany i Khalid Al-Khateeb sy ny namany Hassan Aman raha nisongona ny fiara mpanotrona ny mariazy ary maty vokatr'io fisongonana io. An'i Sheikh Ali Abd Rabo Al-Awadhi ny fiara mpanotrona mariazy, mpikambana iray ao amin'ny antoko Islah any Yemen sy mpikambana ao amin'ny Fihaonambem-pirenena. Nahatonga adihevitra teo amin'ny mpisehatra aterineto maro sy ireo mahery fò ny fahafatesan'izy ireo.

Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria

  23 Mey 2013

Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka "Free Army" tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.

Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli

  22 Mey 2013

Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany

Mitady Fiarahamiasa Aminà Orinasa Tsy Miankina Ny Orinasam-pifandraisana Saodiana Mba Hitsikilo Ireo Mpanjifany

  21 Mey 2013

Nangataka fiarahamiasa taminà orinasa tsy miankina iray ny orinasam-pifandraisana faharoa lehibe indrindra ao Arabia Saodita, Mobily, mba hanara-maso ireo fampiharana ara-pifandraisana amin'ny finday ampiasain'ny mpanjifany. Tamin'ny volana Martsa, nandrahona hanakatona ny WhatsApp, Skype sy ireo fampiharana hafa tsy mifanaraka amin'ny fepetra aman-dalàna Saodiana (mamela ny fanarahamaso na fitsikilovana) ny Vaomieran'ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny...

Palestina: Mihinana KFC (Kentucky Fried Chicken) Koa Izao Ny Ao Gaza

  19 Mey 2013

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken (akoho voaendy) nafàrany - taorian'ny ora fito niandrasany. Ny tantarany dia manamarina tatitra iray tao amin'ny New York Times izay milaza fa avy any Al Arish, any Ejipta, no aterina ny KFC ho an'ny mponin'i Gaza, toerana izay anaovana azy ireny varomaizina mandalo tonelina miafina. Hatreo dia tsy nitohy ny fanaterana any an-tokantrano, saingy farafaha-ratsiny, mba afaka nihinana ny KFC-ny i Hamra ary nibitsika sy nandefa tamin'ny Istagram ny zava-niainany.

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

  19 Mey 2013

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny amin’ny antony tokony haha-zo fa tsy tombontsoa ny fampianarana.