· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2019

Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

GV Mpisolovava  29 Marsa 2019

Nodinihina tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.

Maso Arabo: Eritreritra Ramadan

  28 Marsa 2019

Satria mifarana vetivety ny volana masina Ramadany, mizara ny eritreriny momba ny volana, ny zavatra ataon'izy ireo, ny fenitry ny fitondrana fiara ary ny fanirian'izy ireo hiala-sasatra.

Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana

  28 Marsa 2019

Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iandian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.

Iran: Natambatra ny sivana 

GV Mpisolovava  27 Marsa 2019

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika,  nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.