· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2010

Tonizia: Fanombohan'ny Fanentanana Manokàfa Bilaogy

Taorian'ny fito volana nipetrapetrahan'ny fitorahana bilaogy, noho ny faneriterena nataon'ny manampahefana niafara tamin'ny nandràrana bilaogy efa ho 100 mahery, namondron-kery ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ka nankahery ny olona mba hanomboka hizara ny eritreriny sy ny zavatra iainan'izy ireo eo anivon'ny aterineto. Vao natomboka nalefa mihitsy ny "Manokàfa bilaogy" hisarihana mpitoraka bilaogy vaovao ho ady amin'ny sivana.

22 Novambra 2010

Ejipta: Afaka i Kareem Amer!

Taorian'ny 1470 andro nolaniany tany am-ponja, afaka ihany nony farany ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Nihoatra 10 andro amin'ilay efatra taona voatondro hohefainy noho ny faniratsirana ny Silamo sy ny Filohan'i Ejipta Mohammed Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy (Ar) izany

19 Novambra 2010

Nalàn'i Torkia ny fanakànana ny YouTube, saingy ho fotoana fohy monja ve izay famahàna izay?

GV Mpisolovava

Voasakana tao Torkia hatramin'ny 2007 ny YouTube. Ankehitriny, sambany tao anatin'ny roa taona, azo tsidihana indray izao ao Torkia ilay tranonkala fifampizaràna lahatsary be mpampiasa. Satria naverina nosokafana indray ilay tranonkala, naverina napetraka ireo lahatsary fototry ny fanakànana tany aloha tany. Dia ho fotoana fohy ihany ve ilay famahàna sa efa hizotra mankany amin'ny fahalalahan'ny aterineto i Torkia?

03 Novambra 2010