Adivarotra F-16 mamin'i Torkia

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Nahazo alalana ihany i Torkia nony farany hiroso amin'ny fifanarahana — fahazoana fiaramanidina mpiady F-16 avy amin'i Etazonia — rehefa niandry nandritra ny volana maro. Tamin'ny 26 Janoary, nankatoavin‘i Etazonia ny fivarotana F-16 vaovao miisa 40 mitotaly 23 miliara dolara. Tafiditra ao anaty fifanarahana ihany koa ny fitaovana hanavaozana ny F-16 miisa 79 an'i Torkia. Tonga ny vaovaon'ny fifanarahana iray andro taorian‘ny latsabaton'ny parlemanta ao Torkia nankatoa ny tolo-kevitr'i Soeda hiditra ao amin'ny OTAN.

Andro iray taorian'ny nanasoniavan'i Erdogan ny fidiran'i Soeda ao amin'ny OTAN, neken'ny Departemantam-panjakana ny fivarotana fiaramanidina mpiady F-16 ho an'i Torkia (sy F-35 ho an'i Gresy)

Araka ny The New York Times, farafahakeliny in-telo i Antony Blinken, sekreteram-panjakana ao Etazonia, tamin'ny herintaona no nilaza fa tsy ho azon'i Torkia ilay fifanarahana raha tsy nankatoaviny ny tolo-kevitr'i Soeda nandritra ireo fifampiraharahana mafy nifanaovana tamin'i Torkia.

Nanohitra mafy ny fikasan'io firenena io hanatevin-daharana ny firaisankina ny filohan'i Tiorkia Recep Tayyip Erdoğan sy ny antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) raha tsy nahafeno ny fitakian‘i Tiorka i Soeda, anisan'izany ny fandraràna ny fihetsiketsehana manohana ny Kiorda any Soeda sy ny famotsorana ireo olona isan-karazany antsoina hoe mpampihorohoro.

Vao mainka nanaratsy ny fifandraisan'ny roa tonta ilay fandoroana, nataon'ny politisiana farany havanana iray ampahibemaso, Korany iray tao Soeda tamin'ny heritaona.

Nitondra vokatra ho an'i Tiorkia ny fanemorana 20 volana tamin'ny tolo-kevitry ny fidiran'i Soeda. Araka ny filazan'ny Reuters, ankoatra ny fifanarahana hanesorana ny ankivy ara-pitaovam-piadiana, dia azon'i Torkia ihany koa i Soeda sy i Finlandy (ireo firenena roa niara-nirotsaka ho mpikamban'ny OTAN, fa i Finlandy nanatevina ny firaisankina tamin'ny Aprily 2023) handray fepetra hiadiana amin'ireo mpikamban'ny Antokon'ny mpiasa Kurdistan. ‘ Party (PKK) sy ny Hetsika Gulen (FETO) — izay samy tondroin'ny manampahefanan'i Ankara ho fikambanana mpampihorohoro.

Saingy tsy zava-dehibe ireo fifanarahana sy adivarotra ireo tamin'ny filoha Erdoğan mihoatra noho ny fahazoana mividy F-16. Araka ny nametrahan‘i Amberin Zaman, mpanao gazety mavitrika, azy hoe : “Tsy misy dikany ny fitarainan'i Torkia momba an'i Soeda manoloana ny tena tanjony, dia ny hahazoana F-16.”

Efa re sompirana ihany i Erdoğan tamin'ny Desambra 2023, raha niresaka tamin'ny mpanao gazety, fa zava-dehibe kokoa ny fiaramanidina: “Ny fivoarana tsara antenainay amin'ny [fanomezan'i Etazonia] F-16 sy amin'ny fampanantenan'i Canada [hanafoana ny ankivy amin'ny fitaovam-piadiana] no hanampy ny parlemanta hanana fomba fiasa miabo amin'i Soeda… Mifandray avokoa izy rehetra ireo.”

Nanaiky i Canada, mpikambana ao amin'ny OTAN ihany koa, tamin'ny Jolay 2023, “hanokatra indray ny fifampiresahana tamin'i Torkia momba ny fanesorana ny fanaraha-maso ny fanondranana ny kanonkanon'ny tantelimby (drone), anisan'izany ny fitaovana optika”.

Fahombiazana antiklimatika

Na dia eo aza ny filazan'i Erdoğan, mety tsy ho fifanarahana nahazoan-tombony araka ny nantenain'ny manampahefana ny fahazoana ireo voromby ireo. Efa very ny toeran'ny fiaramanidina mpiady F16 manoloana ny F-35, izay fiaramanidina mpiady vaovao sy mahavita bebe kokoa. Hatramin'ny taona 2019 i Torkia no tao anatin'ny fiaraha-miasa manerantany hahazo F-35 saingy nesorin'ny Pentagon tamin'io taona io rehefa nanapa-kevitra ny hividy rafitra fiarovana Rosiana S-400. Ny taona nanaraka i Etazonia nametraka sazy ho an'ny Fiadidiana ny Sehatrasam-Piarovana (SSB) an'i Torkia, anisan'izany ny “fandraràn'i Etazonia ny lisansam-panondranana sy fanomezan-dàlana rehetra ho an'ny SSB ary ny fangejana ny fananana sy famerana ny visa ho an'ny Dr. Ismail Demir, filohan'ny SSB, sy ireo manampahefana hafa ao amin'ny SSB,” araka ny fanambaràn‘ny Departemantam-panjakan'i Etazonia.

Mihevitra i Sinan Ciddi, mpanoratra, mpampianatra ambony sady mpikaroka tsy monina ao Torkia ao amin'ny Fondation for Defense of Democracies, fa ankoatra ny fanimbana ny tenany ao anatin'ny firaisankinan'ny OTAN sy ny fampangidiana ny fifandraisany amin'i Etazonia, dia “tsy nahazo na inona na inona” i Torkia tamin'ny fidiran'i Soeda. Tokony ho efa vita 20 volana mialoha izao ny fividianana F-16 izay nahazoana alalana ankehitriny raha nankatoavin'i Erdoğan ny fidiran'i Soeda sy Finlandy ho ao amin'ny OTAN fony ry zareo nangataka voalohany.

Nefa, araka ny tenin'i Selim Kuneralp, diplaomaty Tiorka misotro ronono, nipetraka hahazo ampondra i Tiorka rehefa avy nitaingina soavaly: “Hahazo ny F35 manara-penitra i Gresy, raha hanana ny maodely F16 ‘nodiodiovina’ efa mananika ny 40 isika. Mety kokoa ho an'ny politisiana ato amintsika ny nahay nimpirimpirina tsy mahazatra mandra-pahavita ny tetikasa F16, “hoy ny nosoratan‘i Kuneralp tao amin'ny matoandahatsoratra iray.

Ho fanampin'ny fankatoavana fivarotana fiaramanidina F-16 ho an'i Torkia, nankatoavin'i Etazonia ihany koa ny fivarotana F-35 20 ho an'i Gresy — mpifaninana amin'i Torkia hatry ny ela. Nihatsara dia tsara ny fifandraisana teo amin'ny firenena roa tonta tamin'ny herintaona taorian'ny fidinany ambany tamin'ny taona 2022 rehefa nandrahona an'i Athena tamin'ny balafomanga ny filoha Erdoğan. Olana ao amin'ny Departemantam-panjakana ao Etazonia ny fihenjanam-pifandraisana, ka mailaka izy hitady “toky avy any Torkia hampihena izay mety ho fifanolanana amin'ny tafika grika ao amin'ny Ranomasina Égée”, hoy ny soratry ny New York Times. Mbola ho hita eo na ho tafapetraka eo amin’ny toerany ireo toky ireo na tsia.

Nisioka i Sinan Ulgen, diplaomaty Tiorka taloha ary mpikaroka tao amin'ny fiheveran-draharaha Carnegie Europe, fa “tsy mety ny mifaly” amin'ilay fifanarahana. “tsy mahaonitra amin'ny fanilihana an'i Tiorkia amin'ny programa F35 ity vokatra ity.” Ny fanapahan-kevitry ny firenena hividy S400 no “mety ho iray amin'ireo fahadisoana lafovidy indrindra tamin'ny politika ivelan'ny antoko AK.”

Ny hafa indray nanakiana ny fankatoavana ny fifanarahana noho ny firaketana zon’olombelona ao Torkia sy ny lisitr'ireo olana hafa, anisan'izany ny fanohanan‘i Ankara ny Hamas sy ny fifandraisan‘ny filoha Erdoğan amin'ny filoha Rosiana Vladimir Potinina.
Nisy fanentanana farangoteny #NoJetsForTurkey tao amin'ny Twitter niantso ny fitantanan'i Etazonia tsy hivarotra voromby (mpiady), noho ny olana ara-piarovana ao amin'ny faritra raha tsy hoe misy “fomba fiasa hihazona an'i Ankara ho tompon'andraikitra amin'ny fomba safidiny hampiasana ireo mpiady ireo”.
Na izany aza, mety ho poakaty ihany izany satria afa-manararaotra hiverina ao amin'ny klioban'ny F-35 i Torkia. Noresahin'i Victoria Nuland sekreteram-panjakana lefitra ao Etazonia izany mety ho fiverenana izany nandritra ny fitsidihany an'i Torkia tamin'io herinandro io. “Raha afaka manavatsava ny olana S-400 ity isika, izay tianay hatao, dia ho faly i Etazonia handray an'i Tiorkia hiverina ao amin'ny fianakaviana F-35,” hoy i Nuland tao amin'ny fahitalavitra CNNTurk tamin'ny 29 Janoary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.