Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018

31 Oktobra 2018

Bahrain: Afaka Miara-miaina ve ny Demôkrasia sy ny Finoana Silamo?

Afaka mipetraka anatin'ny fiarahamonina Silamo ve ny demôkrasia? Izany no fotodresaka teo amin'ireo bilaoera Bahraini androany.

Manao Printy ny Angona Akanjo 3D Voalohany Indrindra Eran-tany ny Tanora Israelianina Iray Mpamorona Lamaody

Ny tanjoko dia ny hamorona akanjo vonona hotafiana avy ato an-trano amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo fanaovana printy azon'ny rehetra jifaina. Azontsika atao ve ny hamorona, hizara ary hanao printy mivantana avy ao an-trano ny akanjontsika atsy ho atsy?

Ako avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana

Malaza tamin'ny lohahevitra samihafa toy ny mahazatra ny tontolon'ny bilaogy Toniziana, manomboka amin'ny tena matotra hatramin'ny mazavazava kokoa, topi-maso momba ireo lohahevitra mahaliana sasany noresahana nandritra ny 2 herinandro lasa ireto manaraka ireto

Dia ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

Ho an'ny Irakiana, andro lehibe ny 15 Oktobra ...andron'ny Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana Irakiana. Ny fifidianana dia tsotra, na eny na tsia amin'ny Lalàm-panorenana Irakiana.

Bahrain: Manonofy Bahrain Tsara kokoa ireo Mpampiasa Twitter

Ny Sabotsy maraina teo, nisy tenifototra vaovao nipoitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter tao Bahrain ary mpampiasa Twitter maro no naneho ny fanantenany, ny nofinofiny ary nanazava ny fangatahany tamin'ny alàlan'ny #IdreamofaBH.

30 Oktobra 2018

Mitombo Indray ny Gazety Voarara sy ny Raharaha Khatami any Etazonia

Mihabetsaka ireo gazety sy gazetiboky nakaton'ny Kaomisiôn'ny Famelàna sy Fanaraha-maso ny Asa Fanaovangazety - sampan'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny "Islamic Guidance" - tahaka ny gazety mpivoaka isan'andro, Shargh, sy ny mpivoaka isam-bolana, Nameh ary ny Hafez.

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

Fijoroana Kiorda: Akon'ny herisetra, ny maha-izy sy ny taombaovao

Inona no mahatonga ny vahoaka ho vahoaka? Inona no mamaritra ny vondrona iray: feo iraisana, tantara iraisana, kolontsaina, milina fibilaogina? Tahaka ny Iraniana, mankalaza ny Taombaovao na Newroz isaky ny volana Martsa ny Kiorda.

Manoratra momba ny Sinema ireo bilaogera Iraniana

Ny sarimihetsika Iraniana no nahazo loka tamin'ny fetibe nandritra ny taona maro. Misaotra ireo talen'ny sarimihetsika tahaka an'i Kiarostami, Panahi, Majidi, ... Afaka mirehareha amin'ny sarimihetsikany ny Iraniana.

Mibilaogy ilay Iraniana mpikatroka ny zon'olombelona: Tafavoaka velona tamin'ny fonja, ny sesitany ary ny sivana

Te hampahafantatra mpikatroka zon'olombelona iray aho izay mibilaogy amin'ny teny Farsi: Rtoa..Mehrangize Kar. Izy sy ny vadiny, Siamak Pourzand, dia navitrika ho mpikatroky zon'olombelona sy mpanao gazety nandritra ny taona maro ary samy nizaka mafy ny vokatr'izany.