· Septambra, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2013

Tolona Hanakanana Ny Fanambadian'ny Ankizy Ao Yemen

  26 Septambra 2013

Fomba fanao mahazo vahana ao Yemen ny fanambadian'ny ankizy, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Niteraka adihevitra momba ity olana goavana ity ny tantara momba ny fahafatesan'ilay ankizivavy kely valo-taona efa manambady.

GV Face : Fandrakofam-baovao Iraisampirenena Momba an'i Siria

  24 Septambra 2013

Samihafa manakory moa ny fitaterana ny zava-misy ao Siria, miankina amin'ny toerana misy anao? Ary inona no dikan'izany ho an-dry zareo Siriana? Niresaka momba azy io sy zavatra hafa maro izahay tao amin'ny Google Hangout ny Alatsinainy 23 Sept 2013, tamin'ny 11am EST/3pm ora erantany, andiany faharoa tamin'ny GV Face-nay.

Avy Any Kafranbel: Ny Revolisiona Siriana Anatin'ny 3 Minitra

  22 Septambra 2013

Ny eso mahatsikaiky amin'ilay Siria hitsingoana ho any amin'ny fahiny, nefa izy aza niady mafy mba hisondrotra ho aminà hoavy hanjakan'ny fahalalahana sy fahamarinana dia nampiasain'ny vahoaka ao Kafranbel (Idlib), mba handefasana hafatra mafonja ho an'izao tontolo izao.