Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2011
Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina
Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti eraky ny rindrina ao Caire.
Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?
Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30...
Koety: Sit-in ho Fanovana ny Anarana “Làlana Fanaovan-gazety” Amin'ny Anaran'i Al-Saleh
Mikasa ny hanao sit-in androany alina (27aprily) ireo mpanao gazety Koety mba hitaky ny fanovana ny anarana ” Làlana Fanaovan-gazety” amin'ny anaran'i Mohammed Mousaed Al-Saleh, iray amin'ireo Koesiana mpanentana politika...
Syria: “Mitohy ny Revolisiona ao Daraa; Miaraka Aminay ve Ianao?”
Tsy nahitana na inona na inona intsony ny toe-draharaha ao Daraa, Syria, kanefa manohy manambara ny fisian'ny fihetsiketsehana vaovao ny fampahalalam-baovao, ary ny famaizana mahery vaika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ao...
Syria: Mitohy ny Revolisiona / Fanovàna (Lahatsary)
Zoman'ny Hatezerana androany ao Siria, olona an'aliny no nirotsaka an-dalambe tany amin'ny tanàna maro samihafa mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Al Assad, ary maneho firaisankina amin'i Daraa, izay miatrika famoretana tsy misy antra noho ny maha fon'ny fanoheran'ireo Siriana azy.
Tontolo Arabo: Tazon'ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka No Rivotra Iainana
Tonga hatrany Afovoany Atsinanana ny dobok'ampongan'ireo mpampita vaovao manodidina ny fampakarambadin'ny mpanjaka ho an'ny Printsy William sy Catherine Middleton rahampitso (29 Aprily), somary naka aina kely amin'ny fandrakofana ny fitroarana mitranga any amin'ny tontolo arabo ireo mpibitsika mba hanamarika ity lanonana sy fandraisana vahiny izay harahana avy ao amin'ny Lapan'ny Buckingham ity.
Yemen: Fotoana Fisakafoanana Eo Amin'ireo Ankolafin'ny Mpomba Ny Fiovàna Sy Ny Mpomba ny Fitondràna
Nisy mptoraka bilaogy amin'ny lahatsary nitahiry ny fotoana fisakafoanan'ny ankolafin'ireo mpomba ny fitondrana sy ny mpomba ny fiovàna tao Sanna renivohitra Yemeni. Jereo ny lahatsary mba hahitana ny fahasamihafany.
Ny Fitroarana Siriana sy ny Fampitam-Baovao Miely Patrana vs. Ofisialy

Voalohany izao tao anatin'ny folo taona no mitodika any Syria izao tontolo izao, raha an'alinaliny ireo vahoaka manao fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana nifehy tao efa ho 50 taona mahery
Ejipta: Gigi Ibrahim Tao Amin'ny The Daily Show
Ny fisehoan'ilay Ejiptiana mafanà fo ara-politika sady mpandefa bitsika, Gigi Ibrahim, tao amin'ny The Daily Show, dia nahatonga onjam-panohanana sy fanoherana avy amin'ireo namana mpandefa bitsika, izay nandrakotra ny revolisiona ejiptiana. Indreto fanehoankevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter.
Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria
Maro ireo Ejiptiana niaraka tamin'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana tao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho an'ny fiongananan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.