Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Tamin'ny Desambra 2023, nandeha tany Hongria ny filohan'i Torkia Recep Tayyip Erdoğan, ka nihaona tamin'ny praiminisitra Viktor Orban. Satria fotoam-pialan-tsasatra ny volana desambra, nifanakalo fanomezana ihany koa ireo mpitarika roa ireo. Orban nanome soavaly an'i Erdoğan, raha natolotr'i Erdoğan kosa ny fiara vita-tiorka — ny fifanarahana tsara indrindra nataon'i Orban, araka ny voalazan'ny praiminisitr'i Hongria tao anaty sioka iray — :

Ny fifanarahana tsara indrindra nataoko! Ho an'ny herin-tsoavaly iray dia nahazo 435 aho. Tongasoa eto Hongria ny Filoha Erdogan

Nampahatsiahy ny sasany tamin'ilay Barbie nahomby tanteraka tamin'ny fahazoam-bola tamin'ny herintaona ny fifanakalozana fanomezana, izay nanehoana ny soavaly”ho endriky ny maha-lehilahy”, hoy ny nosoratan'ny mpanao gazety Ali Walker ho an'ny Politico.

Mbola manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany ny herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN i Erdoğan sy i Orban, ary mety ho namaha ny olana ihany ny fihaonana, izay natao tamin'ny 19 Desambra, araka ny Turkey Recap.

Taorian'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina, nanambara ny fanapahan-kevitr'izy ireo hiditra ao amin'ny OTAN i Soeda sy Finland. Na izany aza, nametrahan'i Torkia, izay mpikambana ao amin'ny OTAN ihany koa, ny vatom-pitsipahana tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitra, izay tsy maintsy ankatoavin'ny firenena rehetra ahitana mpikambana 30. Nilaza i Ankara tamin'ny herintaona fa tsy hankatoaviny ny fidirana raha tsy mahafeno ny fitakiany ny firenena roa tonta, “mitanisa ny tantaran'izy ireo ho mampiantrano ireo mpikambana ao amin'ny vondrona mpitolona Kiorda sy ny fampiatoan'i Soeda ny fivarotana fitaovam-piadiana ho an'i Torkia hatramin'ny taona 2019 noho ny hetsika ara-miaramila nataon'i Ankara tao Syria” araka ny voalazan’i Guardian. Ankoatra an'i Tiorkia, nametraka vato tsy azo ivalozana ihany koa i Hongria manoloana ny firenena roa tonta hiditra ao amin'ny firaisankina. Tamin'ny Febroary 2023, niala tsy nanatrika fivoriana tany Bruxelles teo amin'i Soeda, Finland, ary Torkia, izay natao hamahana ny fifanolanana ara-diplaomatika amin'ny fidiran'i Finland sy i Soeda hiditra ao amin'ny OTAN, i Torkia.

Na dia teo aza ny fanoherana, nanatevin-daharana ny firaisankina ihany i Finland tamin'ny Aprily 2023.

Tsy mahazoazo an'i Soeda hiditra ao amin'ny OTAN i Torkia taorian'ny tranga nandoroana Kôrany tamin'ny herintaona. Saingy mihoatra lavitra noho izay fariparitan'ny mpitarika ho “fanevatevana ny soatoavina masin'ny Miozolomana” ny alahelon'i Erdoğan amin'i Soeda. Manana fangatahana hafa amin'i Soeda ihany koa ny manampahefanan'i Ankara, ao anatin'izany ny fandraràna ny fihetsiketsehana mpomba ny Kiorda any Soeda sy ny fampodianaan-tanindrazana olona isan-karazany lazain'i Torkia ho mpampihorohoro, hoy ny nosoratan‘i Amberin Zaman, mpanao gazety.

Natao an-trano mihidy ny fihaonana teo amin'ny praiminisitra Orban sy ny filoha Erdoğan tamin'ny 18 Desambra 2023. “Tsy niresaka fanitarana ny OTAN ny roa tonta tamin'ny fanambaràna iraisana ho an'ny gazety tamin'io andro io, saingy  nitazona ny vato roa farany takiana amin'ny fankatoavana ny fidiran'ny Soedoà ny governemantan'izy ireo, ary mihevitra ireo mpanara-maso fa mety misy idiran'ny fandrindrana ny fitsidihana raha irosoana ny tolotr'i Stockholm,” hoy ny nosoratan'ny mpanao gazety Diego Cupolo.

Saingy andro maromaro taorian'ny fihaonana, toa tsy nisy firy ny fandrosoana hanatratra fifanarahana momba ny fidiran'i Soeda ao amin'ny OTAN:

“Tsy misy fifanarahana Tiorka-Hongroà” momba ny fidiran'i Soeda ao amin'ny OTAN, hoy i Orbán – andro maromaro taorian'ny nitsidihan'i Erdogan azy tany Budapest.

Nanampy izy fa tsy marisika ny depioteny handrotsa-bato amin'ny fifanarahana satria, taorian'ny nanekeny ny maha-mpikambana an'i Finland, dia nitory an'i Hongria i Finland ny ampitson'iny.

Ho fanampin'ny soavaly iray, nanome toky ihany koa i Orban ny hanohana ny fiantohana ny olom-pirenena Tiorka handeha ao Hongria tsy mila visa, araka ny tatitry ny sehatra fampitam-baovao anjotra Gercek Gundem.

Misy zavatra vitsivitsy itoviana ihany koa ireo mpitarika roa ireo. Na i Orban na i Erdoğan dia samy mitondra ny fireneny amin'ny gadona mpandrendri-bahoaka tsirefesimandidy ary samy mahay milalao saim-bahoaka, mampangina ireo feo mahaleotena sady mandrahona ny mpanohitra, manangana fifandraisana ahazoana tombontsoa manokana amin'ireo sangany amin'ny fihariana, ary manoritra ny governemantany avy ho tena tia tanindrazana, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Araka ny voalazan‘i Stephen Pogany, mpampianatra ambony mitety oniversite ao amin'ny Oniversiten'i Warwick dia “tsy mitombina sy manelingelina” ireo hambo nasionalista ireo:

No single political party can plausibly claim to represent the supposed values of an entire people or have a monopoly on patriotism. In seeking to entrench their political ascendancy, however, the authoritarian-populist regimes in Ankara and Budapest have instituted broad-ranging policies to remake the nation in their own image.

Tsy misy antoko politika tokana afaka mitonona ho mahasolo tena ny soatoavina heverina ho an’ny vahoaka manontolo na manana ny ampihimamban’ny fitiavan-tanindrazana. Amin'ny fikatsahana hanamafy ny hery politikany, anefa, dia nametraka lalàna maro ny fitondrana tsy refesi-mandidy-mpandrendri-bahoaka ao Ankara sy Budapest hanaovana ny firenena ho amin'ny endriky ry zareo manokana.

Araka ny nomarihin'i Oliver Hartwich tao amin’ity tsanganana ity, na dia 1.400 kilaometatra aza ny elanelan'ireo firenena roa ireo, “raha eo amin'ny fandrendreham-bahoaka sy ny anti-liberalisma dia mpifanolo-bodirindrina akaiky i Erdoğan sy i Orbán.”

Taorian'ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana ankapobeny tamin'ny Mey 2023,   anisan'ireo mpitarika voalohany niarahaba mialoha ny filoha Erdoğan tamin'ny fahazoana fandresena i Orban:

Vao avy niantso ny filoha @RTErdogan aho mba hiarahaba azy noho ny fandreseny tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena, sy ny fandresen'i @Akparti niavaka sady tsy iadian-kevitra tamin'ny fifidianana parlemantera Tiorka vao haingana. Mirary soa amin'ny fihodinana faharoa,

Nilaza tao amin'ny fandaharana radiom-panjakana iray i Orban taty aoriana hoe: “nisy enta-mavesatra lehibe afaka teo an-tsorokay tamin'ny nahavoafidy an'Atoa Erdoğan indray. Naniry izahay mba ho voafidy indray i Erdoğan, saingy am-pahatsorana, misaotra an'Andriamanitra fa nandresy i Erdoğan. Betsaka ny vavaka nataoko ho azy handreseny.

Ankehitriny, iray amin'ireo fahasamihafana kely eo amin'ny firenena roa tonta ny filaharan'izy ireo amin'ny tondron'ny fahalalahana manerantany. Raha milahatra any amin'ny “malalaka ampahany” i Hongria ao amin'ny laharan'ny Freedom House, i Torkia kosa voasokajy ho “tsy malalaka.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.