Tafahitsoka anaty korontam-bato, ny vatana sy fanahy

Renim-pianakaviana manampina ny vavany tsy hiantso ny zanany mba hiangana. Pikantsary (22:28) avy amin'ny Fizarana 1 amin'ny ‘Attack on Titan’ tao amin'ny YouTube. Fampiasana ara-drariny.

Nosoratan'i Saleh Jamal Safi tantara ity ary navoakan'ny We Are Not Numbers voalohany tamin'ny 12 Janoary 2024, ho fitantarana manokana momba ny daroka baomba tsy an-kiato ataon'i Israely an'i Gaza. Tsy nasiam-panovana ny tantara, naseho araka ny fijoroana vavolombelona tsy voasivana momba ny fanatrehamaso ny ady, ary navoaka ho anisan'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Manafika tanàna ireo biby goavam-be,  tafahitsoka ao anaty korotam-baton'ny tranony rava ny tongotry ny renim-pianakaviana iray. Tsy afaka mandeha, mibaiko ny zanany lahy izy mba handao azy ary handositra miaraka amin'ny anabaviny ho any amin'ny toerana azo antoka.

“Eren, ento i Mikasa ary mihazakazaha!”

“Te-hihazakazaka aho! Koa faingàna ary mialà eo!” hoy i Eren.

“Izao! … Voasaringotry ny korontam-bato ny tongotro. Na hivoaka aza aho, dia tsy afaka mihazakazaka. Azonao, sa tsy izany?”

“Hoentiko ianao izany!” hoy i Eren namaly.

“Fa maninona ianao no tsy mihaino ahy mihitsy?! Farafaharatsiny, henoy farany aho!” hoy ilay reny.

Tamin’izay indrindra no nisy olon-dehibe mpifanolo-bodirindrina iray tonga, mahafantatra fa tsy afaka mamonjy ilay reny ara-potoana izy, ka naka ny zanany roa ary nitondra azy ireo niala teo. Notakoman'ilay renim-pianakaviana ny vavany mba tsy hiantsoantso, manentana azy ireo mba tsy handao azy.

Avy amin'ny fizarana voalohany amin'ny andian-tantara sarimaina Japoney malaza amin'ny Fahilavitra mifototra amin'ny boky tantara an-tsary, Attack on Titan ity fisehoan-javatra maharary ity.

Mety hitranga amin'ny zavatra tena misy ve izany? Tsia velively – farafaharatsiny, izany no noeritreretiko raha nijery voalohany ny andian-tantara aho volana vitsivitsy talohan'ny 7 Oktobra. Tena mihoatra ny zava-misy izany.

Tena mihoatra ny zava-misy, na dia tena izy aza

Andro faha-53 nisian'ny fandripahana tao Gaza nataon'ny fibodoana Israeliana ny 29 Novambra 2023 ary andro fahefatra tamin'ny fampitsaharana ady naharitra fotoana fohy. Tao anaty fiara aho, niaraka tamin'ny olon-tsy fantatra raha nody tany Rafah niainga avy any Khan Younis, izay nandehanako nividy entana tena ilaina tsy misy eny akaikinay

Hita tamin'izany anefa fa ilay lehilahy hafa tao anaty fiara dia anisan'ny tafavoaka velona tamin'ny vono olona tao amin'ny Araben'i Al Hoja izay nitranga roa herinandro latsaka talohan'izay, ny 18 Novambra. Notantarainy tamiko fa tena mampivarahontsana sy mampalahelo ny zava-nitranga.

“Nifindra toerana izahay”, hoy ny fanazavany. Saingy tsy navelan'ny tafika Israeliana haka na inona na inona izy ireo, eny fa na dia sakafo na rano aza, fa ny karapanondrony fotsiny ihany. “Nandeha teny amin'ny arabe izahay, tsy misy fitaovam-piadiana,” no indro niharan'ny fanafihana an'habakabaky ny Israeliana ny vahoaka”. Be dia be ny olona lasa maritiora. Ny hafa kosa naratra. Ny sasany tafavoaka velona, saingy tsy afaka nanampy ny ankamaroan'ireo naratra ireo tafavoaka velona – maro no tsy afaka nandeha. Tsy nisy afaka nanampy azy ireo na dia niezaka aza izy ireo.” Notohizany hoe:

“An injured man gave his child to his wife, asking her to leave him behind so the two could make it out of there. The wife froze; maybe she was contemplating how she would look into the eyes of her children after leaving their father to die.”

“Nisy lehilahy naratra nanome ny zanany ho an’ny vadiny, niangavy azy mba hamela azy any aoriana mba hahafahan’izy mianaka mandeha. Nangovitra ilay vadiny; angamba izy nieritreritra hoe ahoana ny fomba hijereny ireto zanany rehefa avy mandao ny rainy ho faty izy.”

Nanaitra ahy izany fa nivadika ho zava-misy ilay seho mahatsiravina tamin'ny Fanafihana tao Titan. Saingy mbola tsy nino aho fa mety hitranga ny zavatra toy izany.

Tsy nifarana teo ny tantaran’ilay lehilahy.

“Tafavoaka velona ny rahalahiko sy ny zanany lahy kely, ary feno fankasitrahana izahay,” hoy izy. “Nifamahofaho teo aminay ny hafaliana sy ny alahelo ary ny fahadisoam-panantenana sy ny fahatsapana ho meloka. Faly tafavoaka velona, ary meloka noho ny fahasambarana kanefa ny hafa namoy ny fianakaviany sy ny ampahany amin'ny vatany. Tsy niandry ela fa nivadika ho ratsy ny fihetseham-ponay rehetra.”

Nanohy nanazava izy fa tonga tany tamin'ny toeram-pisavana bodoin'ny Israeliana izy ireo izay misy mpiambina manao fisavana ny karapanondron'izy ireo mba hahazoana antoka fa tsy misy ifandraisany amin'ny Hamas. Ary nilaza ny miaramila iray hoe: “Avia aty, ry osy.”

“Niantso ny rahalahiko izay nitrotro ny zanany lahy izy. Very hevitra izahay, nanontany tena hoe inona no mitranga. Nandeha nijery izay notadiaviny ny rahalahikoo, ka nokapohan’ilay miaramila izy miaraka amin'ny fehezan-teny manevateva sy feno habibiana hoe: “Ry osy, ho entinao ho aiza ny zanakao lahy? Midira ao anaty fiara (jeep) fa hoentina any am-ponja ianao.’ Tsy nanan-jo hahalala ny antony nisamborana azy akory ny rahalahiko.”

“The soldiers made them take off their clothes and wear only their underwear. How would a child feel when observing how they were treating his father?”

“Nasain’ny miaramila nanala ny akanjony izy ireo ka atin’akanjo fotsiny no nanaovan'izy ireo. Inona no ho tsapan’ny ankizy iray rehefa mandinika ny fitondran’izy ireo ny rainy?”

Fanao tahiry momba ny fiainanay

Nanatri-maso zavatra mahatsiravina hafa izay mahatonga ahy hahatsapa fa fanadihadiana momba ny fiainanay ny Attack on Titan.

Tamin'ny 6 Desambra 2023, niady hanina tamin'ireo rahavaviko. Nifindra tany an-tranon’ny renibeko izahay, izay nisy mpivarotra falafel teo akaiky teo. Ny hany vahaolana dia ny mividy falafel mba ho voky amin'ny filanay, saingy rehefa nandeha tany aho dia nahita filaharana lava be. Nijoro teo aho, niandry ny anjarako. Nisy ankizivavy iray, tokony ho 10 taona, nijoro teo akaikiko niaraka tamin’ny zandriny vavy.

Tampoka teo indreo nisy lehilahy nipoitra avy teo amin’ny arabe kely teo akaikin’ilay mpivarotra falafel. Nitazona zaza nihosin-drà teo amin'ny tarehiny izy ireo. Nahita maritiora be dia be aho, saingy hafa tamin'izany andro izany. Mbola tsy nanakaiky ny toy izao aho.

Tsy nahazaka ilay tranga aho. Te handoa aho ary nahatsiaro narary. Nanenina noho ny fihetseham-po tsy zakako aho; ahoana no nahatsapako toy izany raha nahita endrika anjely toy izany aho?

Nandritra izany fotoana izany, nilaza tamin'ny zandriny vavy ilay zazavavy 10 taona mba tsy hijery. Niezaka ny hanelingelina azy ireo aho, na angamba nanelingelina ny tenako, saingy tsy nahomby izany. Nanontany ahy ilay zazavavy raha nahita an’ilay zaza aho. Heveriko fa namaky ny eny amin'ny tarehiko izy, ary azo antoka fa eny.

Niondrika izy rehefa nanontany azy io fanontaniana io ihany aho. Nanontany izy avy eo hoe: “Mbola kely izy, ho faly any an-danitra izy, sa tsy izany?”

Hoy aho hoe eny, saingy tsy afaka niteny betsaka aho.

Minitra vitsy taty aoriana, nisintona zaza iray hafa sy lehilahy iray maty tao anaty korotam-bato nandritra io daroka baomba io ihany izy ireo. Voafandrika ny fihetseham-poko, potika ny fahatsapako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.