Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2023
Siria : avy any amin'ny vahohon'ny fahafatesana ka hatrany amin'ny fihin'ny anjara
Nanamafy ny krizy Siriàna efa nisy nandritra ny 11 taona ny horohorontany. Manoloana ny krizy amin'ny maha-olona sy ireo vonjy taitra voafetra, tena mila fanampiana fatratra ny mponina.
Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia
Tao anatin’ny ezaka hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe niharan'ny horohorontany, nanapa-kevitra ny hamerina indray ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray tao amin'ny moskea i Ömer Faruk Amca.
Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana
Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandraràna.
Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’
Niteraka fanakianana teo amin'ny hetsi-panoherana ao Iran ny “Iran Lobby”, teny iray entina ilazana ireo manohana ny Repoblika Islamika sy ny politikany
Mitombo hatrany ny fahatezerana raha namely an'i Torkia ny horohoron-tany roa hafa
Nitondra izany tao amin'ny Twitter ny Tiorka miantso ny fanjakana mba handefa tranolay bebe kokoa sady manontany ihany koa hoe aiza ny vola voaangona hatramin'ny horohorontany farany roa herinandro lasa izay.
Tiorkia : nohozongozonin'ny andiana horohorontany mandravarava
Sary nalaina avy eny an'habakabaka avy amin'ireo toerana voadona mafy indrindra mampiseho ny faharavana tamin'ireo tranobe, hopitaly, tranom-panjakana ary ireo tranobe hafa maro, anisan'izany ny Lapan'i Gaziantep izay niorina efa ho 2000 taona.