Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2020
Raha olana ny vaovao tsy marina any Tonizia, tsy vahaolana ny fanamelohana( bebe kokoa) ny fitenenana
Nampandamoka ilay volavolan-dalàna nampiady hevitra mikendry ny hanameloka ny fanelezana " vaovao tsy marina " an-tserasera ireo olompirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Siria : Fifankatiavana anaty fotoanan'ny famoretana
"Na aiza na aiza aho no mitopy, anaty herisetra, ny rà na ny fahafatesana ao Siria, dia tafalatsaka foana aminà tantaram-pitiavana adaladala, feno fahasahiana toy ny raozy iray manao di-doha mitsiry na eo aza ireo ahidratsy sy ny tsilo miezaka mangeja azy" hoy ilay vehivavy siriàna mpanoratra bilaogy, Marcell Shehwaro.
Mitohy amin'ny fanagadrana mpanao gazety ny famoretana ny mpanohitra any Alzeria
Herintaona mahery taorian'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena tany Alzeria nitakiana ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena dia mbola nanohy ny paikadiny amin'ny famoretana ihany ny governemanta mba hampanginana ireo mpitsikera sy mpanao gazety.