Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2015
Nodidiana Hisazy 2 Taona An-tranomaizina Noho Ny “Faniratsiràna Mpitondra” Ny Lehiben'ny Mpanohitra ao Koety
Nosazian'i Koety higadra 2 taona an-tranomaizina ny lehiben'ny mpanohitra politika, Mussallam Al Barrak noho ny filazany tamin'ny mpitondra ny firenena fa tsy avelan'ny vahoaka hampihatra ny "fitondrana tsi-refesi-mandidy" [ny mpitondra].
Sekoly Iraniana Manameloka Ny Fanavakavahana Mihatra Amin'ny Afgàna amin'ny Alalan'ny Hetsika #Menatra
Matetika miatrika fanavakavahana mieli-patrana sy miaina fanilikilihana ataon'ny Iraniana ireo mpitsoa-ponenana Afgàna ao Iran. Ka natomboka ny hetsika #menatra ho fanoherana izany.
Ankizy ao Ejipta Milalao ny Lahatsarim-Pamonoana Ataon'ny ISIS
Tokony hijery ireo heloka bevavan'ny ISIS zaraina amin'ny lahatsary ve ny ankizy? Nipetraka ity fanontaniana ity taorian'ny fandraketana an-dahatsary ireo ankizin'i El Mahalla El Kubra ao Ejypta izay "mamono" ireo ankizy hafa amin'ny fomban'ny ISIS.
Voampanga Ho Nanararaotra Ireo Mpifindra Monina AFrika Atsimon'i Sahara Ny Mpitandro ny Filaminana Maraokanina
"Nisy fiara fitateram-bahoaka enina niandry anay, nasaina niakatra tao anatin'izany fiara izany izahay. Avy eo, naharitra ora maromaro ny nitondrana anay tany amin'ny tany foana. Tsy fantatray izay toerana nalehanay." Hoy ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpifindra monina iray.
Tafiotram-Pasika Nanempotra Namely An'i Iran
Noresahan'i Arseh Sevom tamin'i Sam Khosravi, mpikaroka momba ny tontolo iainana ny momba izay niavian'ireo tafiotram-pasika mamely an'i Iran sy izay mety ho vahaolana.
Miteraka Fanontaniana Vaovao Momba Ny Fanafihana Natao Ny AMIA Ny Nahafatesan'ilay Mpampanoa Lalàna Arzantina
Miteraka fanontaniana vaovao momba ny Fanafihana natao ny AMIA tany amin'ny 20 taona lasa ny nahafatesan'ilay Mpampanoa lalàna Arzantina, Alberto Nisman, fanafihana nahafatesana olona 85 sy naharatràna 300 hafa, ny ratsy indrindra taorian'ny vono faobe natao ny Jiosy.
#SaveSaman: Ezaka Farany Hamonjena An'i Saman Naseem Ao Iran Tsy Hovonoina Ho Faty
Nisy ny antso maika hanaovana hetsika hampitsaharana ny fanamelohana ho faty an'ilay tovolahy Saman Naseen, voasambotra teo amin'ny faha-17 taonany (22 izy izao), noho ny naha-mpikambana azy tao anaty vondrona mpanohitra mitam-piadiana. Nanao antso ny Amnesty International mba hanaovana hetsika hanakanana ilay famonoana kasaina hatao anio Zoma 19 Febroary
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...