Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2021
Mitolona hiaro ny sehatra maitso sisa tavela ao an-tanàna ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Torkia
Nanomboka ny taona 2014, miady mba hampisy ireo tetikasam-pandrosoana any anaty ala ny Antokon'ny Fampandrosoana sy ny Rariny (AKP), ka mahatezitra mafy ireo mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ny vondrom-piarahamonina.
Miteraka adihevitra momba ny andraikitry ny lahy sy ny vavy ireo vehivavy miaramila andiany voalohany nahazo diplaoma ao Arabia Saodita
Tsy mitovy ireo fijery ao amin'ny media sosialy, ao ireo mankasitraka ny fanapahan-kevitra, ireo izay midera ireo mpitondra Saodiana noho ny fanafahana ny vehivavy, ny hafa kosa milaza fa tsy mety amin'ny vehivavy ny ady na milaza momba ny antony fandraràna ara-pivavahana. Reactions on social media varied between those welcoming the decision, others who praised Saudi rulers for enabling it, and those who consider women unfit for combat or cited religious bans
Nahazo alalana avy amin'ireo mpitantana ao an-toerana ny fihaonamben'ireo mpanohitra vakisiny ao Torkia
Tao amin'ny toerana antsoina ho Maltepe, tanàna itatr'i Istanbul, no nanaovana fihetsiketsehana ary nakatoavin'ny Biraon'ny Governoran'i Istanbul. Mpanohitra fanta-daza maro amin'ny vakisiny no nanatrika ny fihaonana izay nahitana dokotera, mpikatroka, artista sy mpanoratra.
Any Torkia, mpitarika fivavahana manatevin-daharana ny antso hisian'ny sivana amin'ny tambajotra sosialy
Nanolo-kevitra ny fampiasana ny didy fakan-tahaka islamika ny filohan'ny Mpitantana ny Raharaha Fivavahana any Torkia,Ali Erbas, hifehezana ny sehatry ny tambajotra sosialy.
Taorian'ny namonoan'ny lehilahy koetiàna iray ny vehivavy iray tao amin'ny fianakaviany, nohavaozina ireo antso hisian'ny fiarovan'ny governemanta
Angatahan'ireo mpikatroka ny hanomezana fialofana ho an'ireo vehivavy miatrika herisetra an-tokantrano, ary hanafoanana ny andininy faha-153 ao anatin'ny didy famaizana ao Koety, izay manalefaka ny heloka natao hiarovana voninahitra.
Bahreïn : kintan'ny fanatanjahantena vaovao, Ruqaya Al Ghasra
(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2008) Fahenina izy nandritra ny fifanintsanana ary efa vita ny nofinofiny ho tonga vehivavy Arabo voalohany avy ao amin'ny Helodranao handray anjara amin'ny lalao famaranana Olaimpika...