Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2019

30 Desambra 2019

Alzeria : Niondrika teo anatrehan'i Etazonia i Alzeria, niverina ny saina

Nahatonga saina ny Alzeriana ihany ny fanantenana sy ny fahadisoam-panantenana fa tsy mahavita hahazoana fandresena amin'ny lalao football raha ny fitiavan-tanindrazana irery ihany. Nanjavona tokoa manko ny fanantenan'ny Alzeriana tamin'ny Alarobia nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'ny ekipa Amerikana tao Pretoria. Resin'ny ekipa Amerikana tamin'ny isa 1 sy 0 i Alzeria.

25 Desambra 2019

‘Te hiaina izahay': an-tapitrisany ireo Siriana ampijalian'ny hanoanana sy ny hetaheta ao Yarmouk natao fahirano

Nampiantrano Palestiniana mpitsoaponenana 160.000 ny tobin'i Yarmouk taloha. Ankehitriny, 18.000 sisa no mipetraka ao amin'ilay toby natao fahirano. Tapaka ny rano, mahavery fanantenana ny toedraharaha iainan'izy ireo.

17 Desambra 2019

Rehefa maoske daholo izay jeren'ny mason'ny filoha tiorka

Toherin'i Erdoğan ny filazàna hoe i Christophe Colomb no nahita voalohany an'i Amerika, ary faniriany ny hanorina maoske ao Kiobà. Zavatra iray nahatretrika ireo tiorka mpanao hatsikana

Ho an'ireo vehivavy tiorka mitolona tsy hianjadian'ny herisetra, toy izao no navalin'ny filohampireneny : Atsaharo ny fitakiana fitoviana

2014, taona iray nampivarahontsana raha resaka herivetra manjo ny vehivavy tao Tiorkia. Tsy tsara araka izany ny nandraisana ilay 'fifanahantsahànana' naroson'ny filoha Erdoğan.

06 Desambra 2019

Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019

GV Mpisolovava

Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.