Tantara misongadina mikasika ny Maraoka
Tantara mikasika ny Maraoka
Tatitra Unfreedom Monitor: Maraoka
Efa vita tatitra ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Maraoka izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Fidirana ao amin'ny angon-drakitry ny “Unfreedom Monitor”
Fisantaran'andraikitra Advox ny Unfreedom Monitor handalinana ny fahatakarantsika ny fifandraisan'ny teknolojia sy ny fahefana tsy refesi-mandidy.
Bahreïn : kintan'ny fanatanjahantena vaovao, Ruqaya Al Ghasra
(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2008) Fahenina izy nandritra ny fifanintsanana ary efa vita ny nofinofiny ho tonga vehivavy Arabo voalohany avy ao amin'ny Helodranao handray anjara amin'ny lalao famaranana Olaimpika fa saingy azo antoka fa nahasarika ny sain'ny mpisera aterineto ilay mpanao hazakazaka avy ao Bahreïn Ruqaya Al Ghasra. Sarotra...
Maraoka: Polisy noratrain'ny fianakavian'ny mpanjaka
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Tranga roa no nampisokatra indray ny adihevitra mafana rehefa nangingina am-bolana maro ny tontolon'ny bilaogy maraokana. Ilay tranga vao haingana momba ilay bilaogera nogadraina Mohammed Erraji ny iray, mazava ho azy. Ny iray hafa dia ny vaovao momba ilay havan-davitry ny mpanjaka nitifitra polisy. Ireto...
Fomba fijery arabo: manisa andro ho an'ny Ramadany
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2007) Volana masina amin'ny fanisanandro Miozolomana ny Ramadany ary ankalazaina any amin'ny firenena Miozolomana rehetra. Ny fety Aïd no mamarana izany aorian'ny fifadian-kanina efatra herinandro. Mandritra ity volana ity, tsy mihinana sy tsy misotro manomboka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, tsy manao firaisana sy tsy...
Maraoka: Resabe tamin'ny karaman'ny mpanazatra vaovaon'ny ekipam-pirenena baolina kitra (2010)
Ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra any Maraoka, saingy niteraka resabe ny karama mihoa-pampana an'ilay mpanazatra Belza vaovaon'ny ekipam-pirenena Maraokana.
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Governemanta afrikana fito no mampiasa rindram-pitsikilovana, hoy ny fanadihadiana vaovao
Mampiasa teknolojiam-pitsikilovana avy amin'ny Circles, orinasa iray mivondrona ao amin'ny NSO avy ao Israely, ny governemanta amin'ny firenena miisa fito avy eto Afrika -- Botswana, Ginea Ekoatorialy, Kenya, Maraoka, Nizeria, Zambia, ary Zimbabwe -- araka ny nataon'ny Citizen Lab.
Maraoka : Sida, vola, kilalaom-pilàna ara-nofo
Raha tsy hilaza ireo fanafarana manokana atao amina namana iray hivahiny any Eoropa, ary hitondra miverina miaraka aminy kilalaom-betaveta iray any anaty akanjony, dia misy tena tambajotra, miafinafina tanteraka sy tsara lamina, izay miandraikitra ny fivarotana ireny kilalao ireny ho an'ny olondehibe.
Maraoka: Ny Jodaisma ao Maraoka
Vetivety dia kivy izay mitady fanampimbaovao ety anaty aterineto momba ny jodaisma maraokàna: anelanelan'ny fitobahan'ireo rohy sy ny kalitao misavoritaka be ihany amin'ny torohay, matetika tonga eo ny sorisory. Hatreto, ilay tranonkala mamiratr'i Rick Gold - Visiting Jewish Morocco (fitsidihana ireo Jiosy ao Maraoka) - no lasa teboka fiaingàna tsy azo ihodivirana