Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2010
Jordania: Reema, Tsy avelanay ho zava-poana ny fahafatesanao
Reny 35 taona, manan-janaka 3, no maty novonoin'ny vadiny nandritra ny torimasony tany Jordany . Nihevitra ny vadiny fa "tratry ny mosavy " ny vady andefimandriny ka mety ho izy no hovonoiny voalohany. Tantaran'ny maty feno alahelo no nosoratan'ny zana-drahavaviny ao amin'ny aterineto ary antso maro no nalefa mba tsy ho zava-poana ny fahafatesany .
Ejipta: Departemantam-piarovana ho fanaraha-maso ny Facebook sy Fanohanana ny Governemanta

Tamin'ny 1 Jolay 2010, ny Ministera Ejiptiana misahana ny Atitany (Ministry Of interior - MOI) dia voalaza ho nametraka departemanta iray manokana hanara-maso ny hetsika sy ny votoaty Facebook rehetra ao Ejipta mifanaraka amin'ny fanapahan-kevi-panjakana faha 765.
Fanakànana ny encyclopédie Wikipédia any Iran

Araka ny vaovao nivoaka tamin’ny teny Anglisy sy persiana tamin’ny 25 Jolay, ny tranonkala malalaka encyclopédie Wikipédia dia nosakanana any Iran ary tsy nety nidirana.
Alzeria: Melohin'ny mpiserasera ny fanakanana ny boky ejipsiana tsy haseho ao amin'ny fampirantiana boky
Sarim-pamantarana ny Salon International du Livre d’Alger (SILA): http://www.sila.dz/ Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fanapahan-kevitra tsy hampiditra ny boky ejipsiana ho ao anatin'ny haranty mandritra ny Fampirantiam-boky Iraisam-pirenena eto Alger...
Maraoka: Ny teny Anglisy ho Teny fampiasa faharoa
Milaza i Said Bellari, mpanoratra ho an'ny Moroccoboard.com, mikasika ny fanalàna tsikelikely ny fiankinan-doha amin'ny teny Frantsay, ary ny fampidirana ny teny Anglisy ho teny ofisialy faharoa ampiasaina any Maraoka. Ao amin'ny boky nosoratany, manolotra ny fomba fijery tena tsara voatra fantatra amin'ny hoe “fanalàna fahaizana mamaky teny sy manoratra” izy. Tatitra avy amin'i Nabila Taj.
Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy
Rehefa nanoratra lahatsoratra fanesoana tao amin'ny blaoginy mikasika fanambarana tsy tena misy nataon'ny filoha Nicolas Sarkozy mikasa hametraka fomba Frantsay mikasika ny Islam na ireo Silamo Frantsay i Ahmed, tsy nanampo mihitsy izy hoe ho lasa lohatenin-gazety sy ireo vohikalan'ny media amin'ny aterineto ny "tantarany", tsy tahaka ny vosoboso-dratsy noheveriny fa tahaka ireo vaovao milaza zava-misy.
Arabia Saodita : Fahatsiarovana an'i Dr. Ghazi Al Gosaibi
Dr Ghazi Al Gosaibi. Sary avy amin'ny takelaka mpankafy ao amin'ny Facebook. Arabia Saodita sy Bahrain misaona ny fahalasanan'ny olona manan-tsaina izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin'ny lafiny kolontsaina...
Iran: Fanoherana maneran-tany ny fitoraham-bato
Manana ny salovan-tavany any anatin'ny gazety iraisam-pirenena ankehitriny ireo nohelohina ho faty tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato tany Iran, Sakineh Mohammadi Ashitiani, renimpianakaviana iray 43 taona, niteraka roa, izay novonoina ho faty tamin'ny tora-bato tsy ela akory izay noho ny resaka fijangajangana.
Maraoka : Ireo fandaharam-potoan'ny Ramadany
Mizara ireo eritreritreriny, ireo fandinihany.... eny na dia ireo fomba fahandroan-tsakafo aza ireo Maraokana amin'izao fanombohan'ny volan'ny Ramadany izao. Manana ilay tantara i Jillian York .
Jadona anaty aterineto ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran

Hatramin'ny taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009, nanenjana ny fepetra faneriterena ny gazety ny repoblika islamikan'i Iran ka tadfiditra amin'izany ireo mpitoraka blaogy sy ny sehatra fitoraham-bolongana madinika toy ny Facebook...