Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2018

Tohin

Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?

  30 Jolay 2018

Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.

Mividy ny vokatra eo an-toerana ny Ejypsiana

  28 Jolay 2018

Nanapa-kevitra "hanao ankivy ny ankivy" sy hanitatra izany tsara kokoa i Inji, bilaogera tia fandrosoana sady tanora mpahay toekarena izay kivy noho ny mailaka sy hafatra SMS marobe ary mitaky ny hanaovana ankivy amin'ireo vokatra.

Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona

  28 Jolay 2018

Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo  tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany. 

Qatar: Hazavana hafahafa teo ambonin'i Doha

  26 Jolay 2018

Nijery ny lanitry ny alina sady niezaka namantatra ireo hazavana nivezivezy hafahafa izay azon'ny bilaogera an-tsary tamin'ny findainy ireo bilaogera ao Qatar. Moa ve OVNI izany sa fiaramanidina, sa meteorita sa Spiderman?

Tohin

Ejipta: Manabaribary Ny Herisetra Miseho Mandritra Ny Black Out-n'ny Haino Aman-jery Ny Mediam-Bahoaka (Sary Mahery Setra)

  25 Jolay 2018

Nandritra ireo dimy andro nahatapahan'ny haino aman-jery sy ny fifaneraserana tao Ejipta, vitan' ireo mpikatroka ny namadika ilay sivana ary namoaka lahatsary naharitra ora maro, naharakitra ny herisetra niseho nandritra ilay ''revolisiona'' izany, lavitra ireo sehatra milamina amin'ny fifamoivoizana tsotra ao afovoan'i Kairo sy ny làlana tsy misy olona izay alefan'ny fahitalavi-panjakana nandritra ilay fotoana fandraràna. Mahery setra avokoa ireo lahatsary ireo tamin'ny voalohany. tsaratsara kokoa raha miafinafina ny mpijery..