Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2017
Nahatonga Resabe Ny Filazan'ilay Mpitsara Syriana Fa Ny Fakana Vady Faharoa No Vaha-olana Ho An'ny ‘Vehivavy Tsy Manambady’
"[Ny fitotongan'ny isan'ny lehilahy] no manasarotra ny olana ary mampisy fiantraikany ratsy eo amin'ireo zatovovavy sy ny fianakaviana, araka ny fenitra ara-tsosialy izay manaratsy ireo vehivavy tsy manambady , misara-panambadiana, na maty vady."
Kinendrin'ny Rindrantsompatra Nohamafisina ny Fitaovana Mac-n'ireo Iraniana Mpikatroka

Manana viriosy vaovao hikendrena ny solosaina Apple ireo mpijirika Iraniana tohanan'ny fanjakana izay mikendry ireo mpisera mandala ny zo sivily sy ny zon'olombelona.
Naninona i Benjamin Netanyahu no Tsy Afa-nisidina Ambonin'i Indonezia
Tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika ara-dalàna amin'Isiraely i Indonezia, izay firenena betsaka miozolomana indrindra eto amin'izao tontolo izao. Vaovao ratsy izany ho an'ny ekipam-pisidinan'ny praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu.
Ny Tatitry Ny Mpisera: Fahatapahan'ny Aterineto Indray ao Iràka sy Kamerona

Herinandro fahatelo tsy misy aterineto any Kameroina. Nanameloka lehilahy roa noho ny lahateny 'mampisara-bazana' tao amin'ny Vkontakte i Okraina, ary tsy mahazo mampiasa Facebook ireo Alzeriana mpisolovava.
Niteraka Fanehoan-kevitra Isan-karazany Ny Fitsidihan'i Benjamin Netanyahu Tao Aostralia
"Ny politikan'i Netanyahu dia mikendry hatrany ny hihantsy, hampitahotra sy hampijaly ny vahoaka Palestiniana, izay mampitombo ny tsy fifandanjam-pahefana, ary tsy azo ihodivirana fa mitondra an'i Israely ho lavitry ny fandriampahalemana kokoa..."
Tantara Foronina Iray ao Palestina Voarara fa ‘Mandrahona ny Fitsipi-pitondrantena sy ny Fahamendreham-bahoaka”
Maro ireo nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Fahefana Palestiniana handràra tantara foronina iray voalaza fa manitsakitsaka ny maoralim-bahoaka.
Tafasaraka ity Fianakaviana Mpitsoa-ponenana Syriana ity Noho Ny Fanapahan-kevitr'i Trump
Monina ao California i Gasem al-Hamad sy ny fianakaviany, nandositra ny ady tao Syria, saingy tafahitsoka ao Jordania kosa ny rahalahiny noho ny fanapahan-kevitr'i Trump momba ny mpitsoa-ponenana. Tsy fantatra hoe rahoviana vao ho tafahaona ny fianakaviana.
Mikatona Indray ny Aterineton'i Iràka ho Fisorohana ny Hosoka amin'ny Fanadinana

Lasa mahazatra ao Iraka ankehitriny ny fanakatonana ny Aterineto mba hisorohana ny fraody amin'ny fanadinana
Mampihena Ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao Ve i Tonizia?

Tamin'ny taona 2016, nampiditra lalàna momba ny fahazoam-baovao i Tonizia, saingy mbola voafetra ny fampiharan'ny governemanta izany.
Nalaza ny Fampivadian'ny Iraniana An'i Iran sy i Etazonia Tamin'ny Alalan'ny #LoveBeyondFlags
Mba hanoherana ny kabary tsara lahatra feno fankahalana eo amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo sy hanehoana ny fankasitrahan'ny Iraniana amin'ireo Amerikana mpanao fihetsiketsehana izay nitsangana nanohitra ny fandraràna fivezivezena nosoniavin'i Trump, nataon'ny Iraniana malaza tao amin'ny Twitter ny #LoveBeyondFlags [Fitiavana Mihoatra ambadiky ny Faneva]