Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2015
Tantaram-pitiavana Syriana’ Manaraka Ny Fiainana Andavanandron'ny Fianakaviana Iray Nandritra ny Ady sy an-tSesintany
"Mihevitra aho fa ao anatin'ny fanamby ny hafatry ny fanantenana - ny fihantsiana fianakaviana iray, izay tafarina."
Nahazo loka tao amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera ny andian-dahatsoratry ny Global Voices Sombintsombiny avy any Syria
Nandritra ny fanambarana ny loka ny mpitsara izay nifantina ny "Sombintsombiny avy ao Syria" an'i Marcell Shehwaro, no nanatsonga teny fa "ny fitozoan'ny mpanoratra tamin'ny tsanganasany no nahitany ireo faritra volombatolalaka [sady tsy mainty no tsy fotsy] ao amin'ny ady izay re matetika avy amin'ireo fomba fijerin'ny mpifanandrina mifanohi-kevitra tanteraka."
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana

Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Atena Farghdani, Artista Sady Mpikatroka Mafàna Fo Voafonja, Manohitra Amin'ny Alàlan'ny Fitokonana Tsy Misakafo Ny Fampijaliana Azy

“Nolotoin-dry zareo tao am-ponja ny hajan'ny zanako vavy. Ny maha-olona azy no lalaovin-dry zareo amin'ireo teny [ratsiny]."
Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa
Adihevitra iray vaovao indray momba ny fahalalahana maneho hevitra no nateraky ny sariitatra farany navoakan'ilay gazetiboky frantsay mpanaraby, momba ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy an'i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana maty an-drano .
Netizen Report: Miteraka Fitiavana Sy Fankahalana Amin'ny Aterineto Ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana

Ao Hongria, Serbia sy Alemaina, nandray fepetra tamin'ny fanomezana finday, fahana, sy fidirana amin'ny Wifi ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana.
Manamafy Ny Fahefany Amin'ny Politikan'ny Aterineto Ny Filankevitra Faratampon'ny Serasera Ao Iran

Manamafy ny fahefany amin'ny politikan'ny aterineto amin'ny alalan'ny Filankevitra Faratampon'ny Tontolon'ny Serasera ny Mpitarika Faratampony ao Iran.
Toherin'ireo Mpiaro Zon'Olombelona Ny Didy Fanamelohana Ho Faty Navoakan'ny Fitsarana Saodiana Ho An'ilay Tanora Ali Al-Nimr
Vao 17 taona ilay Saodiana Ali al-Nimr no efa voasambotra. Ankehitriny, eo amin'ny faha-21 taonany, voaheloka hotapahan-doha izy, ary avy eo ny vatany hahantona ho lò eo ambony tanambokovoko.
Tahaka izao No Anaovan'i Tsetsenia Ireo Mpampiditra Ho ISIS

Asehon'ilay lahatsary ireo lehilahy Tsetsena tratra mampiditra olona ho an'ny ISIS aty anaty tambajotra sosialy, ary ireo zokiolona nikiakiaka tamin'izy ireo dia fianakaviany sy ireo mpitarika ny vondrom-piaraha-monina any an-toerana.
Mafana indray ny raharaha Kiorda ao Torkia
Toy ny fahatsirovana efa ela dia ela sisa ny fampitsaharan'ady notarihan'ny AKP teo amin'i Torkia sy ireo Kiorda mpiady nifanaovana tamin'ny taona 2012 noho ny firongatry ny herisetra indray.