Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2011
Tonizia: Voaraoka ny Minisitry ny Atitany, Tezitra ny Bilaogera
Tafintohina ireo bilaogera Toniziana tamin'ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany vonjimaika Farhat Rajhi androany.Tamin'ny fihetsika tsy nampoizina, dia nosoloina an'i Hbib El-Seed izy. Nandritra ny fihetsiketsehana izay namely ny firenena...
Bahrain: Nosamborina ilay Bilaogera Malaza Mahmood Al-Yousif
Taorian'ny tamin'ny 3 ora maraina, ora any an-toerana, dia nosamborina tao an-tranony ilay bilaogera malaza Mahmood al-Yousif. Ni- tweet izy alohan'ny nialany tao an-trano miaraka amin'ireo polisy: Ato amiko ny polisy Bilaogera...
Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona
Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana...
Qatar: Rahona artifisialy mitatao ny Kianja
Nanosika ilay firenena kely saingy manankarena halaza indray ny fisian'ny tetikasa iray hamoronana fitaovana mamorona rahona vitan'olombelona azo baikoan-davitra, mandeha amin'ny herin'ny masoandro entina hampangatsiatsiaka ny eny an-kianja. Efa herinandro...
Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary
Fa iza moa ireo Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay...
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany...
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Koety: Lasa alina ny andro noho ny tafiotram-pasika
Nisy tafio-drivotra arahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koety satria dia nivadika ho alina ny andro. Ireto misy toraka tao amin'ny YouTube, Twitter ary Facebook.
Libya: Nitombo tao Misrata ny Helok'i Gadhafi.
Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i Gaddafi ao Addabiya....
Syria: Namotika sy Nanaisotra ny Sarin'ny Fitondrana Syria ny Mpanao Fihetsiketsehana.
Fanadihadina manokana momba ny Fihetsiketsehana ao Syria taona 2011 ity lahatsoratra ity. Ao Syria, hita matetika eny amin'ny takelaka fametrahana dokambarotra, eny amin'ny trano be, ary amin'ny endrika sarivongana ny...