· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2010

Torkia: Taona fahatelo namonoana an'i Hrant Dink

  22 Janoary 2010

Telo taona androany, dia nisy nitifitra tamin'ny basy teo ivelan'ny birao fanaovan-gazety fiasany tany Istanbul, Torkia, ilay mpanao gazety Tiorka-Armeniana Hrant Dink . Tsy noraharahiana izy, nankahalain'ny Tiorka sy ny Armeniana noho ireo hafatra feno fandeferana sy fampihavanana nataony ho an'ny roa tonta fony fahavelony, Dink dia feon'ny mpampihavana ary olon'ny fohavanana ka izay...

Diplaomaty Toniziana maty noho ny horohorontany tany Haiti

  17 Janoary 2010

Hedi Annabi, 66 taona, diplaomaty Toniziana sy solontena manokan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ho any Haiti (Minustah) dia ahiana ho isan'ireo maty tamin'ny horohorontany mahery nitranga tany Haiti. Malahelo noho ny famoizana azy ireo mpitoraka blaogy Toniziana.

Mpanoratra misongadina: Hisham

  17 Janoary 2010

Amin’ny maha dokoterra monia sy miasa any Frantsa azy, i “Hisham” (Hisham Khribchi) dia iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny vohikala Talk Morocco, izay miezaka ny ho seha-pifanakalozana handrisihana ny fifampiresahana avo lenta, misokatra ary mendri-kaja momba ny olana mahakasika an’I Maraoka sy ny Diaspora

Ejipta: fandripahana kristiana tao Naga Hammady

  11 Janoary 2010

Hajao ny fivavahana avy amin'i Sarah Carr Ny 7 Janoary no mankalaza krismasy ny kristiana kopta. Nankany am-piangonana hankalaza ity fety masina ity ny kôpta tany Ejipta ny takariva mialoha ity fotoan-dehibe ity. Saingy nisy zava-tsy nampoizina nitranga tany Naga Hammady, Ejipta ambony, tamin'ity taona ity raha nisy olo-tsy fantatra...

Iran: tolona iraniana tohanan'ny mpiserasera shinoa

  11 Janoary 2010

Hatramin'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fitondrana islamika tany Iran nandritra ny fankalazana ny Ashura, dia mpiserasera Shinoa ampolony ny niditra tao amin'ny valam-piaraha-monina Twitter #iranelection. Ary dia nampiany hashtag vaovao, #CN4Iran, izany sy vohikala vaovao hanohanana ny tolon'ny vahoaka Iraniana, mitondra ny anarana hoe CN4Iran.org. Niresaka tamin'ny iray amin'ireo mpiserasera nanangana izao...

Sakanan'i Tunisia sy Bahrain ireo takelaka manokan'ny olona ao amin'ny Twitter i

GV Mpisolovava  06 Janoary 2010

Voalohany indrindra, nisy ny   governemanta nanakana ny Blogspot. Avy eo  dia nosakanan'izy ireo ny Facebook, vita izay dia ny Twitter. Ary vao nanomboka nampiaka-peo ireo mpanjifa ny vokatra teknolojika eran-tany, dia nisy governemanta roa naneho fahendrena kely ka nanova ny fomba fanivanany ireo media ara-tsosialy ka, naleony nisakana manokana...

Alzeria, nirotsaka an-dahàrana amin'ny adin'ny fanivànana

  05 Janoary 2010

Alzeria no firenena farany indrindra nirotsaka nanatevin-daharana ireo mpanivana  ny aterineto, mba tsy hanaovana bango tokana  an'i Iraka, Egipta, Libia sy Libanona. Herinandro lasa izay no nisy tatitra momba ny vohikala voasakana, rehefa nitatitra ny momba ny www.rachad.org ireo mpampiasa Twitter, hoe voasakana ny vohikalan'ny hetsika ara-politika Mouvement Rachad. Nanomboka...

Egipta: Ao an-tseranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Cairo …Mitandrema ianao raha toa ka mpitoraka blaogy!

  04 Janoary 2010

Tato ho ato ireo ONG goavana sy seha-pikarohana samihafa saiky maneran-tany mihitsy dia nanjary liana dia liana amin'ny fihainoana izay ambaran'ireo mpitoraka blaogy Arabo sy ny hafanam-pon'izy ireny amin'ny tontolo niomerika, ratsy vintana ireo Egiptiana mpitoraka blaogy ao amin'ny seranam-piaramanidin'ny fireneny! Toy ireo mpitoraka blaogy maro nanana olana tao amin'ny...

Arabia Saodita : Ny tondra-dranon'i Jeddah an-tsary

  01 Janoary 2010

Mbola miresaka momba ny tondra-dranon'i Jeddah sy ny vokatra naterany ny olon-drehetra, telo herinandro taorian'ny tondra-drano nitranga tany amina tanàna tany Arabie Saoudite andrefana. Ireo mpampiasa aterineto dia mizara rohy ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahasimbana goavana, avy amin'ny mailaka. Maro ireo video azo tamin'izany.