Ho voatarika anatina ady midadasika ve i Libanona?

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 17 Janoary 2024)

Nijolofotra ny setroka tany atsimon'i Libanona taorian'ny fanafihan'ny Israeliana. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny AFP. Fampiasana ara-drariny.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Hassan Sindyan, ary navoaka voalohany tao amin'ny Raseef22 ny 5 Janoary 2024. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

“Niditra tamin'ilay ady izahay ny andro faharoany tao Gaza, ary ny Hetsika Al-Aqsa Storm dia Palestiniana 100 isanjato raha fanapahankevitra sy fanatanterahana no resahana.”

Tamin'ity filazana natao ny 3 Novambra 2023 ity, , efa ho iray volana taorian'ny nanafihan'i Hezbollah ireo toerana miaramila Israeliana tany atsimon'i Libanona tamin'ny 8 Oktobra, dia nambaran'ny lehiben'ny Hezbollah Libaney, Hassan Nasrallah, ny fandraisana anjaran‘i Libanona tamin'ny Hetsika Al-Aqsa Storm hiadiana amin'i Israely. Naka endrika ara-jeografika manokana ilay ady, miaraka amin'ny fitsipika voafaritra momba ny firotsahana, ary antsoina hoe Operation Isnad (fanohanana) ho an'ny Hamas.

Nolavin'i Nasrallah ny fandraisan'i Hezbollah anjara tamin'ny fanafihana nataon'ny Hamas an'i Israely tamin'ny 7 Oktobra. Na izany aza, ny herinandro nanaraka ny 7 Oktobra, dia nihamafy ny fifandonana teo amin'i Hezbollah sy Israely, ka tonga hatrany amin'ny nanombohan'ny Isiraely nikendry sivily tany atsimon'i Libanona.

Matin'ny balafomanga Israeliana tao Libanona, tamin'ny 13 Oktobra, i Issam Abdallah, mpanao gazetin'ny Reuters, ary maro tamin'ireo mpiara-miasa aminy no naratra.

Tamin'ny kabariny efa  nandrasana fatratra dia nanantitrantitra i Nasrallah fa miankina amin'ny fihetsik'i Israely manoloana an'i Libanona ny fihitaran'ny ady. Nanomboka tamin'ny 8 Oktobra, mpikambana 140 ao amin'ny Hezbollah no maty, niaraka tamin'ny sivily sy mpanao gazety marobe, ary sivily 74.000 no nafindra toerana avy any atsimon'i Libanona — goavana ny isan'ny olona voakasika.

Fisehoan-javatra mivoatra

Rehefa nihamafy ny fifandonana tany atsimon'i Libanona, manamorona ny sisintanin'i Libanona-Israely, dia nisy hetsika ara-politika isan-karazany natao mba hisorohana ny fisintonana an'i Libanona hiditra amina ady midadasika. Na izany aza, tsy misy antoka fa hitsahatra ny ady.

Nihamafy ny fifandonana rehefa nampiditra fitaovam-piadiana vaovao ny Hezbollah tamin'ny fiandohan'ny Novambra, anisan'izany ny drôna, ary nikendry ireo fonenana tao Isiraely. Izany dia nitranga ho isan’ny andiana hetsika tamin'ny 15 Oktobra, nahitana balafomanga nankany andrefan'i Galilia, tao anatina fifandonana tsy mitsaha-mirongatra  teo amin'i Israely sy ny Hezbollah.

Taorian'izay, ny 4 Desambra 2023, natsangana ny Vanguards of Al-Aqsa Flood, vondrona mpanohitra mitam-piadiana ao amin'ny Hamas, mba hampiditra mpiady, hamorona sehatra hafa na fanampiny ho an'ireo mpitarika sy mpikambana ao amin'ny Hamas ivelan'i Gaza. Nandrandraina hahazo fanohanana ara-politika sy eny an-kianja avy amin'ny mpitarika ny Hezbollah io hetsika io, ka tanjona amin'izany ny hizaha toetra ny anjara asany amin'ny maha-mpilalao fototra azy eo amin'ny sehatra Libaney amin'ny dingana ho avy.

Niatrika fanoherana lehibe tao Libanona ny fananganana ity sampana vaovaon'ny Hamas ity, ka maro no mihevitra azy io ho fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena Libaney.

Nisy ny fampitandremana momba ny mety hamerenana ireo fisehoan-javatra teo aloha, toy ireo mahakasika ny Fikambanana Fanafahana Palestiniana (OLP), sy ny tahotra ny hamerenan'i Israely indray ny fananiham-bohitra nataony an'i Libanona tamin'ny 1982. Nifanojo tamin'ny fanambaran‘ny lehiben'ny sampam-piarovana Israeliana anatiny, Ronen Bar, tao amin'ny Israeli Public Broadcasting Corporation izany fanahiana izany, izay nandrahonany hanenjika ireo mpitarika ny Hamas any Libanona sy Torkia, na haharitra taona maro aza izany.

Vahaolana pôlitika iray ho solon’izay?

Mifanindran-dàlana amin'ny firongatry ny ady dia nisy ny ezaka natao hampilamina ny faritra atsimo. Ny faran'ny volana Desambra dia nampitomboin'ireo diplaomaty tandrefana ny ezaka ataon-dry zareo ho fampiharana ny Fanapahankevitra 1701 avy amin'ny Firenena Mikambana, mikendry ny hampitsahatra ny ady ao amin'ny sisintany iraisan'i Libanona sy Israely. Tafiditra amin'izany ny fanomanana ireo fepetra hanatanterahana ny fanapahankevitra 1701 an'ny Firenena Mikambana sy ny hamahàna ny fifandirana mahakasika teboka fito amin'ny 13 amin'ilay fanapahankevitra, ho takalon'ny fanekena ny toeram-pambolena sy fiompiana ao Shebaa ary ny fiarovana ny fisintahan'i Hezbollah “ao ambadiky ny Reniranon'i Litani”.

Izany soso-kevitra izany dia natao hodinihina miaraka amin'ny mpanelanelana voalohany, Amos Hochstein, mpanolotsaina momba ny angovo ho an'ny filoha amerikana. Niverina tany Beirota i Hochstein tamin'ny herinandro lasa mba hanelanelana an'i Libanona sy Israely ary hamaritra ny sisintany eo amin'ny firenena roa tonta, araka ny nambaran'ny masoivohon'i Etazonia ao Libanona, Dorothy Shea, nandritra ny diany fanaovam-beloma tany Libanona tamin'ny Desambra lasa teo.

Mandritra izany fotoana izany, takian'i Israely ny hanalàn'i Hezbollah ny tafikany, farafaharatsiny ireo miaramila sangany hiala amin'ny sisintany mba hanamora ny fiverenan'ireo “voanjo” 80.000, izay nandao ny avaratra noho ny tahotra ny Hezbollah, ary tsy vonona ny hiverina raha tsy voalamina ara-politika izany.

Araka ny filazan'ny Minisitra Israeliana, Yoav Gallant, nandritra ny resadresaka tao amin'ny Onjampeon'ny Tafika Israeliana tamin'ny 7 Desambra, dia nosainin'i Israely ny hanatanteraka hetsika ara-tafika hanosehana ny Hezbollah hiala ny sisintany.

Famonoana ara-politika

Tamin'ny 26 Desambra, tamin'ny fanafihana an'habakabaka tany ivelan'i Damaskosy dia maty novonoin'i Israely i Reza Mousavi, mpanolotsaina ambony ao amin'ny Mpiambina ny Revolisiona Iraniana, tompon'andraikitra amin'ny fandrindrana ireo hery fanampiny ao Syria. Nandritra ny taona maro, nanatanteraka fanafihana anoherany izay lazainy fa lasibatra manana fifandraisana amin'i Iran ao Syria i Israely.

Nanditra ny tafa ho an'ny mpanao gazety natao ny 28 Desambra, dia nandrahona ny hanao hetsika ara-tafika midadasika hanoherana ny Hezbollah any atsimon'i Libanona i Benny Gantz, mpikambana ao amin'ny Kabinetra Israeliana.

Ny nanaraka tao anaty lisitry ny lasibatra Israeliana dia  i Salah al-Arouri, mpitarika ny Hamas monina any amin'ny sisiny atsimon'i Beirota. I Al-Arouri dia filoha lefitry ny birao politikan'ny Hamas ary mpitarika ny hetsika tao Amoron'i Jordana (Cisjordanie).

Ny 2 Janoary 2024 izy no maty, tamin'ny alalan'ny fanafihana drôna tao amin'ny biraon'ny hetsika, tany amin'ny sisiny atsimon'i Beirota. Nahafaty mpitarika roa sy mpikambana efatra tao amin'ny Hamas ilay fanafihana, ary maro no naratra.

Al-Arouri dia nofaritana ho toy ny “mpandrafitra” ireo fanafihana ataon'ny Hamas, hamelezana ireo Israeliana miaramila sy voanjo  mpanjanaka ao Amoron'i Jordana voabodo. Nampangain'i Israely ho nandefa balafomanga avy any Gaza sy Libanona izy. Ny famonoana azy dia nitarika ho amin'ny fampiatoana ny fifampiraharahana momba ny fifanakalozana gadra, ary sahobakaka ambody riana tanteraka izao ireo tafika Israeliana ao amin'ny sisintany Libaney .

Fahazoana toky indray any Israely… Ahoana ny amin’i Libanona?

Niaina ahiahy sy tahotra i Libanona taorian'ny famonoana an'i Al-Arouri, tao Beirota. Ity tranga ity dia mety ho fampitandremana ao anatina toedraharaha ahitàna fitomboan'ny fifandirana taorian'ny nandikan'i Israely ny fitsipiky ny fifampiraharahana natao. Ny toe-draharaha dia miteraka ahiahy momba ny valintenin'ny Hezbollah, ary raha ho voasarika amin'ny ady midadasika ao amin'ny faritra i Libanona, izay heverin'ny mpandinika fa tanjon'i Netanyahu.

Ireo valinteny ireo no notadiavin'ny vahoaka Libaney tao anatin’ny kabarin'i Hassan Nasrallah, ny 3 Janoary. Raha nanamarika ny fahaefatra taonan'ny namonoana an'i Qassem Soleimani, ilay mpibaiko taloha tao amin'ny Mpiambina Revolisionera, dia nanambara i Nasrallah fa tsy hijanona ho tsy hisy valiny na tsy hisy sazy ny famonoana an'i Al-Arouri.

Momba ny hoe i Libanona ho voatarika anatina ady midadasika, dia nanambara i Nasrallah fa amin'ny alàlan'ny setriny ataon-dry zareo no tokony hamaritan'i Israely izany, tamin'ny filazàna hoe: “Raha sanatria misy fahavalo mitarika ady  amin'i Libanona, dia tsy hisy fetra, na sisintany, na fitsipika ny ady ataontsika.”

Etsy ankilany, nilaza tamin'i Raseef22 ny mpandinika ara-politika Libaney, Qassem Qassir, fa ny famonoana an'i Al-Arouri dia valin'ny tsy fahombiazan'ny tafika Israeliana, ary fikasàna hamindra ny ady ho any ivelan'i Gaza.

Heverin'i Qassir fa “Nataon'i Nasrallah fanahiniana ny naka ireo  vokatr'ilay hetsika, tamin'ny fifantohana tamin'ny vokatry ny Al-Aqsa Storm sy ny faharesen'i Israely teo an-kianja.”. Mamintina izy:

Tsy azo faritana ny toerana sy ny toetr'ilay valinteny satria mifandray amin'ny fepetra eny an-tsehatra izany. Na izany aza, mazava ho azy fa tsy ho rendrika anatina fifandonana na ady midadasika ny Hezbollah raha tsy hoe mandroso ny herisetra Israeliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.